SOLOMBAVA TSY MODELY

Solombava mpihetraketraka, izany indray izao no malaza.
Tena tsy mahay mipetraka fa dia mifanahin-jaza,
Ka mampiasa ny eo an-tanany ary koa ny lohambotony,
Mba hiarovany ny zanany amin-java-tsisy fotony!

Ary dia mihoerahoera, toy ny tsy ampy fahendrena.
(Faly ny mideradera, tsy mahay manaja tena!)
Mety mba nandia fianarana saingy tsy ampy fanabeazana,
Ka tsy mitondra fivoarana fa mampisento ireo mpitazana!

Solombava fozaorana, efa zatra dia mianoatra.
Tsy mahita izay hizorana amim-pomba tena tsotra,
Sady tsy manadihady no tsy tia ny lala-marina,
Ka dia fantatra sahady fa any an-kady no hivarina!

…Misy fetra ny fotoana maha solombava anao,
Ry tia miteniteny foana sy tsy misy kalitao.
Atsimondrano raha izao dia efa leo sy tena boboka,
Ka dia miomàna ianao fa tsy ho ela dia hijoboka!

IRINA HO TAFITA (23-02-22)