MIAKATRA NY MARIPANA

Efa tena mihamasiaka ny vahoaka eto an-tanàna,
Manoloana ny hadalan’ireo mpitondra fanjakana.
Raha vao misy ny tsy mety, miakatrakatra ny feo
Tsy vitavita mora intsony satria maro no efa leo!

Porofo f’efa tena romotra ny vahoaka manontolo,
Manoloana irony tsindry sy karazana bontolo.
Foana ny fifandeferana miendrika fifanajana.
Raha fehezina dia tsotra : miakatra ny maripana.

Toy ny marika sahady mialoha ny fifidianana,
F’efa tofoka tanteraka sady tena leom-boananana
Ireo rehetra mankamamy sy miandrandra fivoarana,
Nefa ataon’iretsy foza ho toy ny tohatra fiakarana!

Ka na ny teny na ny ataony dia efa mampiseho daholo
Fanoherana amin’ny hery sy ny sainy manontolo.
Marimaritra iraisana, izany aloha tsy hisy intsony,
F’efa be ny disadisa mifangaro lonilony.

Ny ataon-dry veta, patsa fotsy sy ireo tsy hay fehezina,
No hiteraka an’ilay hoe “fianjerana miezinezina”.
Ka tsy ny olona eny ivelany fa ireo ao an-dapa ihany,
No ho tena tompon’antoka hanafaingana an’izany.

…Teny kely tsy voatandrina dia efa ampy hampipoaka
Ny hatezerana efa miotrika ao am-pon’ireo vahoaka.
Asa raha misaina izany iretsy olona ao an-dapa,
Na dia vendrana hatrany, ka minia tsy mahatsapa!

DADAN’i RIANA (24-02-22)