EDITO 26 Febroary – Mitohy hatrany ny tsy fangaraharana – Tsy hita izay nambaran-dRajoelina avy any Bruxelles

Sôh’son

Mitohy hatrany ny fifamaliana eo amin’ny samy tomponandraikitra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Mitohy hatrany ihany koa ny tranga tsy mazava amin’ny fitantanam-pirenena. Tsy maharaka intsony ny vahoaka izay natao rahateo ho tompon-trano mihono mandrakariva, ka izay tiatian’ny mpitondra ambara aminy ihany, ao anaty kajikajy politikany, no ambarany. Nambara fa hisokatra amin’ny 04 Martsa izao ny habakabak’i Madagasikara. Dia hoy ny maro tsy maharaka, f’angaha tsy efa nisokatra foana hatrizay na dia tao anaty fihibohana aza? Ary taty aoriana dia niha-nidanadana izany, raha ny fahitan’izy ireo azy. Ka inona ity ambara ho hisokatra amin’ny fomba ofisialy ity? Very ny maro ao anaty sangodim-panina politikan’ny fitondrana. Izany ve no fomba itantanana firenena?

Nandrasan’ny mpanara-baovao, izay vokatry ny dian’ny filohan’ny Repoblika avy tany Bruxelles. Novoizina be ery tamin’ny haino aman-jery, indrindra ny an’ny fanjakana, ny fitaterana ny vaovao nandritry ny fivoriana natrehiny tany. Toy ny hahazo vola be ery i Madagasikara hoentiny avy any. Nangingina anefa ny fahatongavany, tsy re tsaika araka ny fomba fiteny. Dia samy nanontany tena ny rehetra mpanara-baovao: tsy nisy vokatra angaha, tsy nisy vola azo na fiaraha-miasa angaha? Matoa nangingina hoy ny sasany, dia tsy nisy vokatra mazava izay. Efa fantatra ihany ny fidehaky ny filohan’ny Repoblika rehefa misy vokatra azony izay avy any ivelany. Tonga dia resabe eny Ivato vao tonga, na any an-dapa. Efa fantatry ny maro ny fomba fanaony sy ny fiasan’ny fitondrana Rajoelina. Tsy tato anatin’ny telo taona ihany, fa efa nisy ny tamin’ny tetezamita. Tsy milaza zavatra amin’ny vahoaka raha tsy efa misy tiany hahatongavana.

Hatreto, tsy mangarahara ny ataon’ny fitondrana amin’ny fomba fitantanana ny firenena. Mazava loatra fa ao anaty kajikajy politikany hatrany am-piandohana izany. Tsy mahasoa ny firenena anefa izany, ary vao mainka manamafy ny tsy fifampitokisana sy ny elanelana manasaraka ny fitondrana sy ny vahoaka entiny.