EDITO 24 Febroary – Mpiara-dia amin’ny mpitondra – Tsy hita izay atao ho môdely ho tarafim-bahoaka

Sôh’son

Mahavariana sy mahalasa eritreritra lalina, ny fahitana sy fandrenesana ny fiteny, sy fomba fihetsik’ireo olona eo amin’ny fitondrana tato ho ato. Tranga niseho na tamin’ny filohan’ny Repoblika na tamin’ireo olomboatendry, na ihany koa tamin’ny olom-boafidy, izay niteraka resabe ny momba ity farany izao efa andro maromaro izay. Miseho matetitetika izany ary misarika ny sain’ny besinimaro hatrany, noho ny fampitana izany amin’ireo fitaovan-tserasera maro samihafa izay misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Hany ka saika maharaka izay avokoa ny maro. Ilay mitranga anefa tsy tena mitondra soa velively ho an’ny vahoaka sy ny firenena.

Fihetsika na fiteny tsy voahevitra tsara no atao imasom-bahoaka, na tiana mihitsy hiditra any an-tsaim-bahoaka. Ireny toe-javatra ireny tsy azo atao odian-tsy hita, fa miantefa sy misoko mangina ho lasa leson-dratsy ho an’ny zatovo sy tanora ary hanana ny handraisany azy ihany koa ny olon-dehibe. Hatraiza marina ny fahatsapany fa ireo olona eo amin’ny fitondrana ireo no tarafin’ny olom-pirenena, na ny sarambabem-bahoaka amin’izay fifandraisany amin’ny hafa eo amin’ny fiainany andavanandro eo. Raha zavatra tsy vanombanona loatra no aseho sy voizin’ny mpitondra dia mazava loatra, ho toy izany ihany koa ny ho vokatra ho azo any aoriana.

Arakaraka ny hafafy ihany no jinjaina, fa tsy misy ny fahagagana. Izay indrindra no mahadiso hevitra ireo olona izay mitsara avy hatrany ny vahoaka amin’ny fihetsik’iray asehony amin’ny fotoana iray misy tranga mifamahofaho eo anivon’ny fiaraha-monina na firenena. Io fihetsika’io ny fotony dia mifamatotra amin’ny fihetsika na fiteny nataon’ireo olona eo anivon’ny fitondrana ihany, fa tsy toe-javatra tongatonga ho azy amin’izao akory.

Raha nandre ny fomba fitenin’ny filohan’ny Repoblika namaly imasom-bahoaka ny hevitr’ilay olom-boafidiny tsy mitovy hevitra aminy, dia ny tsapa, toy ny tsy nipetraka marina eo amin’ny tena tokony ho toerany ny tenany. Toy izay koa ilay olom-boafidy nifamaly tamin’ny mpanabe mpampianatra taranja fanatanjahantena. Niseho koa izany tranga izany tamina olom-boafidy sasany hafa. Hoentina mankaiza marina ity firenena ity, raha ny tokony hipetraka ho môdely no mivaralila mamohehitra? Ny firenena anefa ity mikoroso fahana hatrany eo amin’ny sehatra maro samihafa. Ny ezaka fanarenana azy tsy hita soritra mazava.