EDITO 15 Febroary – Noho ny ataon’ny fitondrana Rajoelina – Lavitra sy tsy ahita-mitsinjo ny lalana sy ny hihàtra amin’ny vahoaka

Helisoa

Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny dia lasa eritreritra ny olom-pirenana, mandinika sy mametra-panontaniana hoe: hanao ahoana no hiafaran’ ny vahoaka Malagasy 27 tapitrisa ankehitriny? misy antenaina ve ny ho avin’ny taranaka faramandimby? mbola hisy masoandro mihiratra ihany ve? Raha ny zavatra hita mantsy amin’ny fo tsy miangatra dia lavitra ny lalana aleha tsy ahitàna mitsinjo ny zavatra hihàtra. Miaina ao anaty tonelina maizina ny tokantrano Malagasy vokatry ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, ka sarotra ny ahatafavoahana amin’izany.

Niteny ny mpitondra miloko lôranjy, izay nilaza ho haingam-pandeha fa ny zavatra rehetra tsy vitan’ny mpitondra teo aloha tao anatin’ny 60 taona dia ho ataony noho ny fitiavantanindrazana ao anatiny hono? Ny zavatra hita anefa dia ny mifanohitra amin’izany. Ny firenena nangalàna ohatra fa ho ampindramina vola toa an’i Comores izao no lasa manome vola ny firenena Malagasy, mba ho fanampiany antsika vokatry ny rivodoza nifanesy teto amin’ny firenena. “Tsy hindrana vola amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika, fa isika indray aza no hampindrana any Comores”. Mandeha daholo ny fampanantenana poak’aty eto amin’ny firenena ankehitriny ary toa ohatra ny famitahana vahoaka no betsaka. Misy ny fanampiana avy any ivelany nomena antsika hanampiana ny traboina toy ny vary, nefa avy eo entina hanaovana werawera hoe avy amin’i Prezidà Rajoelina dia tonga ilay fitenenana hoe “merci president”.

Manoloana izany dia avy hatrany ny mpamatsy vola mivantana no mitondra ny fanampiana ho an’ireo traboina. Dia toy izany no hitondràna ny firenena, koa aiza moa no andeha araka ny tokony ho izy ny fiainan’ny Malagasy, satria ny mpitondra tsy mba afaka manetry tena fa mila doka fotsiny dia mampanantena zavatra tsy ho vita toy ny teleferika izay tsy laharam-pahamehana akory. Tsy ny mahasoa ny vahoaka mihitsy no eritreretin’ny mpitondra, fa toa ny mahafinaritra izay tsy laharam-pahamehana amin’ny vahoaka.