EDITO 12 Febroary – Aoka izay ny fiheveran-tena ho mahavita tena irery fa mamono firenena

Sôh’son

Raha tsikaritra ho miha-mihena ny rano amin’ireo tanàna dibo-drano toy ny eny amin’ny faritra iva amin’ny renivohitra, dia tsikaritra, fa tsy mbola mihena ny fahadiovan’ny tanàna noho ny resaka fako. Mbola hita etsy sy eroa ny fivangongon’ny fako misavovona amin’ireo fitoerana fanariana fako. Toy izany koa ny hita eny amin’ireo sisina lakandrano mamakivaky ny renivohitra. Miharihary fa tsy mahavaha olana amin’ny fanadiovana ny tanàna ny ao amin’ny fiadidiana ny kaomina Antananarivo Renivohitra. Niharihary ny fampanantenana poak’aty sy fampandriana adrisa natao nandritry ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna natao teto. Voafitaka soa aman-tsara ny mponin’Antananarivo. Ny Ben’ny tanàna teo alohany aza mbola nahavita be lavitra noho izy hatreto. Rehefa tsy vonona hihaino ny hafa sy hiara-hiasa akaiky amin’ny hafa amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny tanàna dia izao iaraha-mahita sy miaina izao no vokany. Mitondra vonjy ny faritra amin’ny fikarakarana ny lalana entina hanafenana ny tsy fahombiazan’ny fitantanana ny tanàna, kanefa ho hatraiza indray ny asa ho vita? Nanampy toy izany mantsy tany am-boalohany nitondran’ny ben’ny tanàna ny filohan’ny Repoblika, tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo fiarabe na kamiô hitatitra fako, fa niserana fotsiny ihany izany fa tsy naharitra amam-bolana na aman-taonany akory. Efa ho fefiky ny haratsian-dàlana izao ny renivohitra vao misy indray ity ataon’ny faritra ity, dia hiaraha-mahita eo ny hiafaràny indray.

Miharihary fa tsy mahavita tena amin’ny fampandrosoana irery ny tanàna ny ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Toy izany koa ny eo anivon’ny fitondrana izay niseho ho babany noho ny hafa teo alohany kinanjo hita ho kely hery rehefa indrindra nipoitra ny rotsak’orana be niteraka tondradrano be nentin’ny rivodoza Ana, sy ny fahapotehana sy fahavoazana nataon’i Batsirai. Miharihary, fa tsy mahavita tena irery amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny eo anivon’ny fiadidiana ny kaomina Antananarivo Renivohitra. Toy izany koa ny fitondrana tsy mahavita mampandroso ny firenena. Any amin’ny laharana gisitra ny firenena ankehitriny manerantany. Henatra sy fahafaham-baraka ho an’ny firenena izany.

Dia mbola ho sahy hihambo ho mahavita tena irery ihany ve izao fitondrana izao eo amin’ny sehatra fampiakarana ny taha-pitomboana ara-toekarena sy fampandrosoana ny firenena? Mbola hikiry fa ny politikany mamohehitra izao ihany no hotohizana na fara-fahantrana sy faraidiny aza ny vahoaka malagasy? Mbola ho sahy hanilikilika ireo tsy mitovy hevitra sy ny antoko mpanohitra ve izy amin’ny fikatsaham-bahaolana hanarenana ny firenena sy hivoahana amin’izao olana goavana manjo izao? Raha mbola tsy hiova toe-tsaina ny mpitondra sy ireo mpiara-dia aminy sy ireo mpanasohaso, dia efa iniana hivarina hidaraboka tanteraka bebe kokoa ity firenena ity.