Gabone tsy vita 2 taona – Tezitra amin-dry Rajoelina i Mompera

Stefa

2 taona tsy vita ny trano fivoahana, na ny gabone ny Katedralin’ny fiangonana Katolika any Fianarantsoa, nampanantenaina anefa ny anaovana an’izany haingana. Noho izay antony izay, tezitra amin-dry Rajoelina i Mompera any an-toerana.

Tamin’ny 2 taona lasa tokoa, noravaina ny gabonen’ny Katedraly, fa hoe hisy foto-drafitrasa avy amin’i Prezidà Rajoelina! TSY VITA NY ASA mandrak’ity ny androany. Ny mpiangona anefa efa poritra hoy Mompera. Santionany fotsiny io hoy i Mompera. “Morts-nés” daholo ny “projets” eto Fianarantsoa, izany hoe: saika maty any am-bohoka avokoa ny tetikasa rehetra kasaina atao ao amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony.

Io tokoa no tonga amin’ilay teny hoe: fampanantenana be dia be, fa ny zava-bita manatody be!