7 Febroary, 13 taona lasa izay – Lasa mpizara hani-masaka sisa ny Filoha Rajoelina mivady

Andry Tsiavalona

Fifandrifin-javatra sa ahoana, fa dia miverina indray ilay isa telo ambinifolo izay isa tsy mitondra fampandrosoana sy fivoarana ho an’ity Firenena ity velively. Niovaova tsy misy farany ny vina noraisin’ny filohan’ny Repoblika, ka ny IEM nanjary PEM nomena anarana Plan Marshall indray ary ny niafarany dia lasa velirano 13. Natomboka tamin’ny Làlam-pirenena faha-13 (RN13) ny fotodrafitrasa, ka nanao velirano Rajoelina Andry, fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita ity Làlam-pirenena ity. Lasa ny telo taona tsy mbola tanteraka izany kanefa mbola manohy ny politikany sy ny fampanantenana ny filohan’ny mpanatanteraka, ka tsy fantatra intsony na ireo ekipany no tsy maharaka ny TGV, na ity farany mihitsy no mbola mi-patinina an-toerana.

Telo ambinifolo taona (13) lasa, ny 7 febroary, no nanirahany ireo « vahoaka » teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey haka ny Lapam-panjakanan’ Ambohitsorohitra, ka ny Praiminisitra « an-tsisikoditra », Monja Roindefo, no nitarika an’izany. Nanatitra voninkazo tetsy amin’ny tsangambatom-pahatsiarovana ity daty ity Rajoelina Andry, telo ambinifolo taona aty aoriana. Raha ny marina dia tsy niteraka fanavaozana sy fampandrosoana ho an’ny Firenena ny marika “13”. Niainga teo amin’ny Kianjan’ny “13” Mey ny hetsika ny 7 febroary 2009. Am-polony maro no namoy ny ainy lavon’ny bala, tsy ilaina ny milaza hoe iza no nitifitra ary avy aiza no niainga izany, fa ny naterak’izany dia niongana teo amin’ny fitondrana Ravalomanana Marc ary nahazo ny anarana filohan’ny Tetezamita Rajoelina Andry.

Na izany na tsy izany dia tsy nahazo ny fankatoavan’ny vondrona iraisam-pirenena ity mpanongam-panjakana ity, ka nomen’ny iraisam-pirenena voninahitra malaza ho “personne sans qualité”. Araka izany dia tsy nisy fanovàna ara-politika sy ara-tsosialy ary tsy nisy fampandrosoana ara-toekarena teto amin’ny Nosy nandritra ny dimy taona nitantanan-dRajoelina Andry ny tetezamita na dia niainga tamin’ny marika “13” aza ny hetsika. Nirotsaka kandidà ho Filoham-pirenena indray izy ny taona 2018 ary ny laharana faha-“13” no nisalorany. Tsy ho resahina ny “doublon” sy ny hosoka ary ny hala-bato nitarika fitoriana teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy fanambaran’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana Thierry Rakotonarivo, fa dia lany ho filohan’ny Repoblika IV andiany faharoa izy araka ny didy tsy azo ivalozana navoakan’io fitsarana io.

Ny zava-misy iainan’ny Malagasy amin’izao “13” taona aorian’ny “7” febroary 2009 sy ny telo taona nitondran-dRajoelina Andry izao dia miiba “-7” ny harinkarena faoben’ny Firenena Malagasy. Tsy misy laharampamehana ny tetikasa nofaritan’ny velirano “13”, fa misambadidaka fotsiny izao fitondrana izao, ka manjaka ny asan-jiolahy tsy an-tanàn-dehibe, tsy eny ambanivohitra, ka mandry tsy lavo loha ny valala tsy mandadiharona. Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana, tsy misy intsony ny saranga an-tenantenany fa valo isan-jato dia milomano ao anaty harena be, fa ny roambisivifolo isan-jato kosa dia sahirana vao mahita hanin-kohanina.

Ny zava-doza dia zarin’ny fitondrana tolotolorana ny vahoaka, fa tsy manangana orinasa, araka ny fampanantenana telo taona lasa izay, isaky ny distrika mba hanana asa ny tanora. Omena tany sy anorenana trano kely hisitrihan’ny lohany, omena omby vavy be ronono sy masomboly ny tanora vitsivitsy kanefa manerana ny Nosy ny tanora tsy manana asa, fa tsy any amin’ireny toerana ireny ihany. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa dia nafindra toerana ireo traboina, na dia tsy mbola ritra aza ny rano any amin’ny fonenany dia terena hiverina any amin’ny trano fonenany ireo traboina. Ny antony dia hasaina hividy ny vary mora sy ny menaka mora ny mponina, kanefa fanomezana maimaimpoana avy any amin’ny vondrona iraisam-pirenena ireny.

Tsy voafehin’ny fitondrana ihany koa ny valanaretina covid-19, ka arakaraky ny tranga misy no hihazakazahan’ny mpitondra. Lasa mpizara hani-masaka sisa no anjara asan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina sy ny vadiny, ka tsizarizary, na tsy mandeha amin’izay laoniny mihitsy, ny fitantanana ny Firenena. Ka tsy ny famohazana fotamandry ny 7 febroary no hanadinoin’ny vahoaka natao sorona ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao. Tsy mitondra na inona na inona eo amin’ny fiainam-bahoaka sady tsy mitondra fampandrosoana ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra ny marika “13”, satria tsy niainga mihitsy ilay lamasinina haingam-pandeha ary izay novinaina ho tanterahina tsy nisy nitsangana.