EDITO 10 Febroary – Tsy fahombiazam-pitantanan’ny fitondrana Rajoelina – Vao mainka milentika, milentika hatrany Madagasikara

Helisoa

Miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ny Malagasy ankehitriny. Eo ny valanaretina CORONAVIRUS, izay mbola mamely mafy tsy mamela mahazo fa misy ny aina nafoy vokatr’izany. Ankoatra izay, eo ny loza voajanahary mahery vaika nanapotika ny fianakaviana Malagasy any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, izay tena namela takaitra maro be tokoa. Ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano maro tsy lazaina intsony fa miha-mitotongana hatrany. Maro ny manontany tena hoe: fa ahoana mihintsy no mahatonga ny lozabe mihàtra eto amin’ny firenena ankehitriny? Mba maro ihany ireo mpitondra teto nifanesy fa voafehy araka ny tokony ho izy ny loza voajanahary nihàtra teo.

Ankoatra izay, eo koa ny fidangan’ny vidim-pianana; eo koa ny fitotongan’ny vidim-bokatra maha fantiantoka ireo tantsaha 80 isan-jaton’ny Malagasy sns… Ao anatin’izany rehetra izany anefa, inona no mba zavatra mivaingana ataon’ny fitondrana izay milaza fa hitondra rivobaovao eto amin’ny firenena fony nanao propagandy? Natao avokoa izao fampanantenana poak’aty rehetra izao hambaboana an-dRamalagasy, kanjo inona no teo? Telo taona mahery no nitondra ny fanjakana ny filoha Andry Rajoelina, nisy fiovana ve nandritra izany?

Ny fantatra aloha toa vao mainka milentika, milentika hatrany i Madagasikara. Famonoana afo no betsaka. Hany ka na ny solombavambahoaka mpiray antoko aminy aza vakivava fa tokony laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara no atao fa tsy zavatra toy ny hoe teleferika. Ny mpanao misaotra prezidà ao anatin’ny fitondrana ihany no tsy mahatsapa ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy, fa minia mikimpy hoe mandeha araka ny tokony ho izy ny fiainan’ny firenena ary manao zavatra fa tsy mandainga ny filoha.

Voaporofo izao tany Fianarantsoa fa miteny hatramin’ny Mompera, fa fampanantenana poak’aty no ataon’ny fitondrana, kabone aza tsy vita efa 2 taona no nampanantenaina. Eto dia mipetraka ny fanontaniana, mbola hisy hihaino ny mpitondra fanjakàna ve amin’izao amin’ireo fampanantenana mbola atao ihany na ao anatin’ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny aza?