EDITO 3 Febroary – Fanisahana ny taom-pianarana Fanekena ny asa tsy vitan’izao fitondrana izao

Sôh’son

Miverina hatrany ny resabe sy adihevitra be, momba ny fotoam-pianarana mety eto amin’ny firenena rehefa amin’ny fotam-pahavaratra toy izao, indrindra rehefa mianjady ny olana ateraky ny loza voajanahary. Ny mandrirotra ny adihevitra dia ny amin’ny hoe tokony ho amin’ny fotoana toy izao, ny volana desambra hatramin’ny febroary na janoary hatramin’ny aprily no hametrahana ny fotoam-pialantsasatra lehibe, fa tokony hialàna ny fotoam-pianarana hatramin’izay. Misy kosa etsy ankilany ny milaza fa tokony ho hazonina ihany satria angamba mety amin’ny fiainany kokoa izany.

Efa saika natomboky ny fitondrana teo aloha ny amin’ny fanatanterahana iry hevitra voalohany, ary efa nanomboka nikisaka ny taom-pianarana, saingy ny ratsy tamin’izany dia ny mpianatra no lasa lasibatra tsy araky ny pedagojiam-pampianarana intsony no nitranga. Tao anatin’izany mantsy dia tonga hatrany amin’ny 10 volana no nianaran’ny mpianatra. Tsy nisy fialàna tsiny nataon’ireo tomponandraikitra nanatanteraka izany tamin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Ny sekoly no nahazo aina, ireo sekoly tsy miankina andoavana saram-pianarana satria nitombo ny volana nidiram-bola.

Fa ao anatin’izay adihevitra be rehetra izay, tsikaritra fa misy lafiny lehibe tsy voajery na tsy voaresak’ireo mpiady hevitra kanefa tokony hosokirina sy tsindriana mafy. Ny fanakisahana ny taom-pianarana hiàla amin’ny fotoam-pahavaratra na ny fiharetana amin’izany ihany koa dia midika tsotra izao ny fanekena ny zava-misy iainana.

Ny zava-mitranga ankehitriny vokatry ny toetrandro sy ny rotsak’orana be dia nampiharihary ny asa tsy vitan’ny fitondrana. Misy fotodrafitrasa mikasika tanteraka ny fiainam-bahoaka andavanandro, tsy nahamaika izao fitondrana izao, fa zavatra hafa no nifotorany sy nitadiavam-bola nitrosana tany ivelany. Raha tena mitsinjo vahoaka sy tena manana fahaizana mitondra ity firenena ity, dia vao nandray ny fitondrana tany am-piandohana dia izany no nifotorana natao, satria mpiseho sy mpamely isan-taona izany. Iaraha-mahita tsara izao, fa tsy misy afitsoka amin’ny fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra ny ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, fa nandany andro niady amin’ny mpanolotsaina sy mitady ny fomba rehetra hanilihana hatrany ny avy amin’ny mpanohitra ao, dia izao miàla bala sisa fa tsy anjarany hono izany. Miankina amin’ny fiainam-bahoaka tanteraka anefa ny lalana.

Raha nohatsaraina izay nisy sy nanao fotodrafitrasa vaovao mihitsy tamin’ireo toerana, fokontany sy kaomina tena mila izany amin’ny fotoam-phavaratra toy izao, tao anatin’izay fotoana nahateo amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny izay, dia tsy nipetraka ho vesatra mafy eto amin’ny firenena toy izao ny olana misy.

Ny fisainana fa tokony hikisaka ny taom-pianaran’ny mpianatra dia fanekena hatrany ny hamela ny mpitondra izay fomba fiasany hatramin’izay ary tsy izy ireo no tomponandraikitra voalohany amin’izao zava-misy izao. Anjaran’ny vahoaka tompom-pahefana no manery ireo tomponandraikitra eo amin’ny fitondrana ireo hiasa mafy hanasoa ny firenena, fa rehefa tsy hahavita dia tokony hieritreritra hametra-pialàna.