EDITO 1 Febroary – Hitohy ny ady amin’ny tsy rariny sy tsy hitsiny

Sôh’son

Andrarezina lehibe roa no nandao eo amin’ny sehatry ny tolona ho amin’ny famerenana ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny, ny fanaovana tsinontsinona ny sarambabem-bahoaka izao, dia ny Profesora James Ratsima, sy ny Maître Olala, izay vao nindaosin’ny fahafatesana tamin’ity herinandro ity.

Mahery fon’ny firenena ireny lasa ireny, ary olomanga tokoa mendrika ho tahafina satria tena môdely. Nampiavaka azy ireo ny fiadiana fo mafy sy nitaky mahitsy mihitsy ny amin’ny famerenana ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay mandraka ankehitriny. Marina fa misy fahabangana lehibe ny fahalasanan’izy ireo, kanefa tsy midika izany fa hihena ny tolona niarahana taminy.

Mbola misy mantsy ireo olom-pirenena maro, sy ireo fikambanana mandeha amin’izany lalana izany, mba hahasoa ity firenena ity. Anisan’ny fikambanana na antoko miady mafy ho amin’ny fampanjakana izany ny Otrikafo ary mavitrika amin’izany izy. Eo ihany koa ireo hafa izay inoana fa hampitombo ny tanjany sy ny heriny, fa tsy hiraviravy tanana. Mbola maro ihany koa ireo olom-pirenena sarotiny amin’ny fahapotehan’ny firenena sy ny fikorosifahany tsy mitsahatra eo amin’ny lafiny maro samihafa.

Raha nanao tombana sy fanadihadiana ny mpanao gazety samihafa nanao jery todika ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana natao teto, sy ny fanapotehana feno habibiana ireo orinasa maro samihafa tamin’izany ka mandraka ankehitriny, dia ny fehiny, nihemotra i Madagasikara. Tsy tratra hatramin’izao, 13 taona aty aoriana, ny taha-pitomboana ara-toekarena 7% mahery tamin’ny andro nitondran’ny filoha Ravalomanana. Efa ho tafavoaka ny firenena tamin’ireny fotoana ireny, no nosomparan’ireo olom-bitsy tia tena mahatsiaro ho very tombontsoa noho ny fahaiza-mitondran’ny filoha Ravalomanana tamin’izany.

Fahaiza-mitondra izay tsy hain’ny fitondrana Rajoelina mihitsy, satria foto-pisainana mankahala olona no entina itondrana firenena. Na hiolan-kavia na hiolan-kavanana izao fitondrana izao, raha mbola toy izany no fisainana entina mitondra tsy ho tafavoaka velively ity firenena ity. Raha mbola ny tsy fahamarinana sy ny tsy fanajana ny rariny sy hitsiny no atao fototra itondrana ny firenena, tsy hisy fisandratana izany eto, fa ho tojo fahasahiranana toy izao mandrakariva.

Izao fitondrana Rajoelina izao dia miharihary fa tsy mahay mandray lesona amin’ny fiainam-pirenena hatramin’izay. Ireo olona mpanohana sy miara-dia aminy na olom-boafidy na olom-boatendry, raha mbola tsy manova toe-tsaina, fa mikiribiby mihevitra ho zavatra noho ny hafa, dia tsy hisy firenena ho vanona izany, ary ho tolo-bato mafana no hatolony ny taranaka any aoriana.