TETO FOANA VE ‘NAREO ?

Sambasamba ve ‘nareo vao niaina anaty rivodoza,
Fa dia hita miharihary ny havendrananareo foza!
Angaha dia tsy mba nieritreritra, na koa mba nandefa saina
Ny hanadio ireo lakandrano tamin’ny andro mbola maina?

Sa ny “zava-mahafinaritra” no andaniana ny fotoana,
Fa ny “zava-mahasoa” dia faralahiny eny foana?
Mandiniha ka mihevera, aleo tenenina mivantana:
“Aiza ho aiza izany izao ilay fanjakana tsara tantana”?

Tsy “hafainganana” no misy, tsy izany no mibahana,
Fa ny peta-toko hatrany, miampy ny “fikoropahana”!
Tsy mba misy zava-banona, ary dia tsy tafavoaka
Fa toa fahoriana hatrany no manjo ireo vahoaka!

Sambasamba angaha ’nareo vao niaina anaty rivodoza,
Fa dia hita ho tsy matotra ary mitavozavoza!
Ny vahoaka hatrany hatrany no iharam-pibedesana,
Noho ’nareo ilay dokotera aorian’ny fahafatesana!

Vao tsy ela akory ry zareo no nandefasam-pitenenana,
F’izy ireo no tompon’antoka tamin’ireo fahatsentsenana.
Hita ny anareo mpitondra fa fialana bala hatrany,
Ka dia nihetsika nanohitra ry zareo “tanàna ambany”!

…Tsy ny fanadiovan-tena ry mpitondra fanjakana,
Tsy izany velively no ilaina eto an-tanàna,
F’ianareo mandray andraikitra amin’ny fotoanany avy,
Amin’izay tsy hahita loza toy izao ny mpianakavy!

DADAN’i ZINA (28-01-22)