MBOLA TSY FAY IHANY VE RY BOAIKELY ?

Mbola tsy fay ihany ve ry boaikely?
Sa dia tsy nosaininareo velively
Ny tranga tsy ampoizina tahak’ireny,
Nisiam-behivavy mba sahy niteny.

Satria be ny zava-tsy zakany intsony,
Ka dia noloarany ny tao am-pony.
Ary ianao no indro tena namatrapatrarany,
Sady nataony nahita ny anarany!

Mbola tsy fay ihany ve ry boaikely
Amin’ity vaovao tena haingam-piely,
Ka hita mazava sy tsy azo nafenina
Ireo izay nitranga sy ireo notenenina?

Toy ny porofo sy fanambaràna,
Fa hay efa leo iretsy “ambany tanàna”.
Efa leo, tena leon’ny fampanantenana,
Ka miandrandra mafy an’ilay fanovana!

…Dia mbola tsy fay ihany ve ry boaikely
Amin’ity toetra ratsy sy tsy mba modely,
Ary ireo teny maro tsy voalanjalanja
Rehefa mijoro sy miakatra kianja?

Tsarovy fa maro ireo efa nandao
Sy tsy vonona hiaraka intsony aminao,
Ka omàny re ny entana dia ahorony,
F’ianao efa tena tsy ho avotra intsony!

IRINA HO TAFITA (28-01-22)

(Rohin’ny horonantsary Miara-manonja – https://youtu.be/y0EYTFlAGx4?t=5650)