EDITO 27 Janoary – Mety mbola tsy hifarana ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena

Sôh’son

Anisan’ny vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra, raha izay no azo ilazana azy, ny haremben’ny firenena izay tafavoaka any ivelany ary any vao sarona. Misongadina ao anatin’izany ireo volamena tao Afrika Atsimo, ny tao amin’ny Nosy Seychelles sy ny tao Comores. Ireo aloha no sarona, fa tsy fantatra intsony izay talohan’ireo. Voalaza aza fa misy efa aman-taonina no any Dubaï. Avy amin’ny alalan’iza no nahatongavan’ireo any ? Tsy vitan’olon-tsotra sy vahoaka madinika izany, fa tsy maintsy olo-maventy mifandray amin’ny manam-pahefana, sy mpitondra ambony izany matoa tafavoaka eto amin’ny firenena. Tsy adino ny nambaran’ny kapitenin-tsambo iray voatana teny amin’ny fonjan’Antanimora tamin’ny taona 2010 momba ilay raharaha andramena voatazona tatsy amin’ny Nosy Kaômoro. Niainga tao Mahajanga ny sambony nitondra andramena ary voatazona tao amin’io Nosy io. Nambarany tamin’izany ireo mpitondra ambony nifandray tendro tamin’izany, fa nisy resaka tsy fifanarahana no nahasarona ilay fanondranana antsokosoko. Tantara mipetraka izany.

Tato anatin’ny folo taona farany, tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Tsaroana hatrany, taona maromaro lasa izay, tao anaty tetezamita, nisy olom-boatendry sahy namaky bantsilana, fa nisy angidimby manangona volamena tany atsimo tany ary avy dia nivoaka an’i Madagasikara. Tsy nisy tohiny intsony ny resaka momba izany taorian’izay. Taty amin’ny taona 2021 sy 2022 izao, vao tena naresaka ity fanondranana volamena antsokosoko ity, ary any ivelany vao tratra. Raha tsy ilay fitondrana any aza no mamoaka ny raharaha, tsy fanta-bahoaka ny fisiany. Mahamenatra sy manala baraka ny firenena mihitsy izany toe-javatra izany. Ilay fiedinedin’ny fitondrana ankehitriny mihitsy miseho ho babany sy mihevitra ny hisongona ny firenen-kafa no mahavaka ao anatin’izany. Misy tsy milamina eny amin’ny seranam-piaramanidina na ny seranan-tsambo eto Madagasikara, matoa mitranga ny fivoahana antsokosoko ny harem-pirenena.

Ny mahavariana, dia misy sarona ary misy tafagorobaka. Ny an’iza no tafavoaka, dia ny an’iza no voasakana? Lasa mandeha amin’izany fisainan’ny olom-pirenena maro. Nambaran’ny minisitry ny fitsarana fa misy tambajotrana “mafia” goavana mihitsy ao anatin’izany fanondranana antsokosoko harem-pirenena izany. Mahalala izany ny mpandinika sy ny olom-pirenena maro, fa ny andrasana ny fihetsiky ny fitondrana mandrava izany, sy misambotra ny atidoha mpandroba ny harem-pirenena eto amin’ity firenena ity. Raha mbola tsy mitranga izany, dia fandrebirebena vahoaka fotsiny ihany no betsaka eto, ary sarotra ny isian’ny fifampitokisana. Tsy mbola hifarana ny fisian’ny harem-pirenena hivoaka an-tsokosoko…