EDITO 22 Janoary – Ahariharin’ny toetrandro ny tsy fahombiazan’ny mpitondra

Sôh’son

Ahariharin’ny toetrandro be rotsakorana, ny tsy fahavitan’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena, ny asany sy ny andraikiny amin’izao fotoana izao. Tsy misy ahafahana manilika ny andraikitra amin’ny hafa fa efa izy no eo, izay rahateo no teniny, dia ny fitondrana ankehitriny no tomponandraikitra voalohany iandronan’ny rihitra. Nanana fotoana niomanana rahateo na ny tomponandraikitry ny tanànan’Antananarivo, na ny fitondrana foibe. Novoizin’ireo ihany koa, ary tsaroana mandrakariva, vao tany amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana kaominaly, ny filazana fa handroso bebe kokoa ny tanànan’Antananarivo, raha mitovy loko ny ben’ny tanàna sy ny fitondrana. Niditra an-tsehatra mihitsy tamin’ny fampielezan-kevitra na dia somary nosarontsaronana be ihany aza tamin’izany fotoana izany. Nanantena fiovàna be teto an-drenivohitra ireo olom-pirenena nifidy azy taorian’izay, kanefa iaraha-mahita ny zavatra misy sy iainana ankehitriny. Tsy mbola nisy fahapotehana sy faharatsian-dalana toy izao eto an-drenivohitra. Nitombo izaitsizy ny isan’ireo traboina raha miohatra ny tamin’ny taon-dasa, nefa vao miandoha ny rotsak’orana be. Voalaza anefa fa efa miforona indray koa ny rivodoza. Tsy ampy ny trano lehibe andraisana ireo traboina raha ny fotoana voalohany izao. Ny fandaminana ihany koa misy fahataràny, ary maro tamin’ireo traboina no nitaraina tamin’ny zavatra samihafa, sakafo, rano fidiovana, sns…

Tsy iombonan-kevitra ny amin’ny filazana fa tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony izao. Tsia, variana tamin-javatra hafa izao fitondrana izao, sy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, fa tsy ny tena mahakasika akaiky sy maika amin’ny filan’ny mponina sy ny vahoaka malagasy. Mampiharihary ny laharam-pahamehana tsy mitombona an’ny fitondrana ny zava-misy. Mby amin’ilay fitenenana hoe “ny tokonana tsy afaka ka rindrina no anihina”, ny fandehan’ny raharaha sy ny fomba fiasa. Izao fitondrana izao ihany koa, ambara mandrakariva, fa tsy manana fijery misoroka mialoha ny zavatra hisy, fa efa mitranga ny toe-javatra vao mikoropaka. Dia avy eo araraotina amin’ny fihetsika miharo politika eo imasom-bahoaka izany. Ilay fahoriana sy fahasahiranam-bahoaka ary ilay fahantrany no araraotina. Tsy rariny sy tsy hitsiny izany. Hatrany am-piandohana no nandraisan’izy ireo ny fahefana anefa izany tranga izany.

Tokony ho fialan-tsiny sy fiaikena tsy fahombiazana aza no tokony hataon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny fitondrana Rajoelina, manoloana ny fahavoazam-bahoaka toy ny ankehitriny izao. Ny Ben’ny tanànan’Antananarivo lany andro niady sy mitady hatrany izay hanilihana ireo mpanolotsaina manohitra azy, ka mifofotra mitory eny amin’ny fitsarana azy ireo no ataony fa tsy mifantoka amin’ny fitondrana ny mponina an’Antananarivo, sy izay hahatongavany amin’ny tranga toy izao. I Andry Rajoelina sy ny fitondrana tsy mikatsaka afa-tsy ny kajikajy politika sy variana mametraka teti-panorona amin’ny fifidianana hoavy. Dia izao no vokany, ny vahoaka hatrany no mitondra faisana. Raha mangina ireo dia, … ny toetrandro no hiteny…