EDITO 20 Janoary – Miraikitra ao an-tsain’ny vahoaka ny tsy firaharahian’ny fitondrana ny laharam-pahamehany

Sôh’son

Niaraha-nahalala izany izao fa nampidirina an-tsekoly ny mpianatra nanomboka ny alatsinainy, rehefa nahemotra tapa-bolana ny fidiran’izy ireo. Fahasahiana be ve ny an’ny fitondrana ao anatin’izao mbola mampirongatra ny valanaretina izao, sa tsy afa-nanoatra amin’ny faneren’ireo fikambanana na vondron’ny sekoly tsy miankina? Mila alaina ihany koa ny fon’ireo, mba tsy hanampy ny isam-baton’ny mpanohitra izay efa manahirana ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Ho inona anefa ny vokany amin’ireo mpianatra sy ny fampianarana? Ny ampitso no hamaly izay.

Mila maka namana ny mpitondra ankehitriny fa “savolaina” amin’ny manjo azy noho ny ny fomba fiasany ihany. Hatramina mpanohitra izay tsy miahotra mamadika palitao dia anokafam-baravarana, sy tambatambazana avokoa izao. Vao mainka nety taminy ny loko nisaloran’ireo manamboninahitra tamin’iny herinandro lasa iny, raha nankeny amin’ny Lapan’Iavoloha nanamarika ny androny. Hoan’ny olom-pirenena maro kosa, dia sadaikatra sy kivy satria midika zavatra be dia be aminy ireny fihetsika ireny. Sary izay manatsidika ao an-tsain’ny maro, fa misy ny fironana na fitongilanana amin’ny fitondrana bebe kokoa, fa tsy eo am-pelatanan’ireo intsony ny rariny sy hitsiny andrasan’ny vahoaka aminy. Mamela lasitra ao an-tsain’ny vahoaka izany, fa ankilahila be ihany ny fiarovana azy. Hitondra ny firenena mankaiza izany toe-javatra izany? Eo indrindra no tokony hiadian-kevitra lalina eto amin’ity firenena ity. Matetika dia omen-tsiny ilay vahoaka amin’ny fomba fandraisany hevitra ambara na ampitaina amin’ny haino aman-jery. Zary adinoin’ireo manakiana azy anefa, fa miankina amin’ny zavatra hitan’ny vahoaka isan’andro eo anivon’ny fiainam-pirenena, no mamaritra ny lasin-tsaina amin’izany. Tsy adala na zazabodo akory ny vahoaka malagasy, fa mbola manana ny maha izy azy izy na poretina anaty fahantrana sy gejaina amin’ny endri-javatra maro samihafa aza. Izao ataon’ny fitondrana ankehitriny izao, izay tsy miahotra amin’ny fanatanterahana asa tsy laharam-pahamehana amin’ny vahoaka izao, dia tsy mandalo fotsiny amin’izao fa misy miraikitra ao an-tsainy. Ny vokatr’izay, dia mivoaka eny amin’ny fiainana andavanandro eny sy maneho ny fiainam-pirenena ihany.

Zary tsy manan-tsafidy ny vahoaka malagasy ankehitriny, fa toy ny miaina ny tian-kano tsy tian-kano. Ahoana no inoana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, izay mba mody mitovy na mahatsapa ny fijaliam-bahoaka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro? Fa moa tsy ny mpitondra sy ireo olona miara-dia sy mpanasohaso ny fitondrana no tsara fari-piainana indrindra eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao? Olom-bitsy ihany anefa ireo, fa tsy ao anatin’ireo sarambabem-bahoaka maro an’isa sahirana ara-pivelomana mafy sy miady mafy, mba hahafahany miaina isan’andro. Aoka tsy ho voafitaka intsony… ary hahatsapa sy ho tonga saina amin’ny hantsana lalina manasaraka ny mpanefoefo sy ny mahantra eto amin’ity firenena ity.