VELIRANON’ADALA

Rehefa ny adala no mivelirano
Amin- java-tsy hainy sy mbola tsy fantany,
Dia ny firenena no idiran’angano
Amin’ny hevi-bontolo sy kimantamantany!

Jereo ny natomboka fa tsy tafainga,
Ireo efa mijoro toa idiran-doza.
Porofon’ny fitaka sy laingalainga
’Zay efa fanaon’ny ekipan’ny foza!

Manao torirahona ny fahoriana.
Vao lasa ny loza dia tonga ny antambo.
Nianjera ny “angidina be” namangiana,
Ary re fa navadiky ny onja ny sambo!

Mirehitra ny etsy, midonaka ny atsy.
’Zay atao rehetra toa manalasala!
Vao mainka mihanaka hatrany ny ratsy
Naterak’ity veliranon’adala!

TSIMIMALO (18-01-22)