EDITO 18 Janoary – Filoha Rajoelina – Toa hita amin’ny sehatra rehetra nefa toa aloka miserana ihany

Andry Tsiavalona

Sarotra ho an’ny ankamaroan’ny mpamaky maro no manontany ny tena tiana ho lazaina amin’io lohatenin’ny lahatsoratra io. Raha manao jery todika ny hetsika eo amin’ny rehetra natrehin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina anefa dia mazava ny tian-kambara. Eo amin’ny sehatra politika dia nisongadina ny fifanatrehan’ny filoha Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry tamin’ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoa dia samy nanambara ho ren-tany ren-danitra, fa raha lany ho Filoham-pirenena ny iray dia hanaiky ho filohan’ny mpanohitra ny kandidà tsy lany. Voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana rahateo izany, kanefa miditra amin’ny taona fahaefatra amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy Rajoelina Andry, nefa tsy mbola hita maso sy henon’ny sofina, fa namoaka didim-panjakana (ordonnance) manendry ny filoha Ravalomanana Marc ho eo amin’izany toerana izany. Nasaina namorona lalàna ny depiote iray nentina nanodinkodina ny fotokevi-dehibe voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana momba ity fanoherana ity. Nandalo toy ny aloka ihany izany Rajoelina Andry tamin’iny adihevitra farany iny, na dia hita vatana sy re-feo aza.

Nanakiana mafy ny federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra (FMF) Rajoelina Andry, momba ny taratasy nalefa tany amin’ny CAF nametra ny isan’ny mpijery sy nampandehanana ireo mpilalao gasy avy any ivelany tamin’ny “classe économique”. Nanofany fiaramanidina manokana ilay mpilalao baolina kitra malaza eran-tany Samuël E’too, noho ny fitokanana ny Kianjan’i Mahamasina sy hanatrika ny baolina nifandonan’ny Barea sy ny ekipam-pirenen’ny RDC. Hita maso tamin’ny fitokanana ny kianjan’i Mahamasina tokoa ny filoha Rajoelina Andry, sy ilay mpilalao baolina kitra malaza kanefa nandalo ihany izany, satria resy teo ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea, andro vitsy taoriana izany. Aloka niserana ihany ilay mpilalao malaza satria tsy hita nanatrika ny fety be.

Vita ny fanavaozana ny Rovan’i Manjakamiadana ary hita sy niseho vahoaka Rajoelina Andry, sady nanambara fa ho “Rovan’i Madagasikara” no hiantsoana azy nanomboka tamin’izay. Tafatsangana ny “Colisée” ary na dia efa ren’ny sofina aza fa notokanana dia nandalo ihany izany, fa tsy nisy fanamarihana.

Nirehareha sy nalaza maneran-tany fa hanangana ozinina fanamboarana ilay fiara “Gasy Car” ny fitondrana malagasy. Tafiditra tao amin’ny sehatry ny famokarana ihany koa Rajoelina Andry kanefa nofy toy ny nofy rehetra ihany, satria tsy tafatsangana na aiza na aiza ny orinasa ary tsy mbola nisy fiara nivoaka hatramin’izao.

Tonga teto amin’ny Nosy ny valanaretina covid-19, nipoitra teo amin’ny sehatry ny fitsaboana na fahasalamana ihany koa ny filohan’ny Repoblika ary nanambara fa efa nanana fanafody nentina nitsabo izany ny eto Madagasikara, ka tonga teto ny solontenan’ny firenena aty amin’ny Kaontinanta afrikana naka ny fanafody. Nandalo fotsiny ihany ireny fa tsy hita na re na taiza na taiza ny fahombiazany.

Nirotsaka teny amin’ny fokontany ny filoha faratampon’ny mpanatanteraka, ka nampahafantatra fa soloina “karne biômetrika” ny karnem-pokontany ary naseho tamin’izany ho hitan”ny mpiray tanindrazana ny santionany. Toy ny zavatra tsy nisy iny hetsika iny, ka lasa lokom-boasary ny fonon’ny karnem-pokontany nasolo ny teo aloha.

Taonan’ny asa eo amin’ny sehatra rehetra, hono, ity taona 2022 ity ka raha ny hita amin’izao fotoana izao dia ny sehatry ny famokarana rianaratra no hanombohana izany, kanefa dia mbola afaka dimy taona vao hisy vahaolana azo antoka momba ny delestazy. Na iza na iza miseho ho mpitarika eo amin’ny sehatra rehetra, kanefa tsy hahitàna vokatra azo tsapain-tànana ny ataony dia toy ny tsy taiza na taiza izy. Aloka miserana ihany!