Antananarivo Renivohitra – Ny lalana no maha maika fa tsy izay teleferika

Beharo

Hita sy tsapa izao fa ny fitohanana na embouteillage dia tsy avy amin’ny olona mifamezivezy, fa noho ireo fiarakodia sy moto marobe tsy afaka mizotra amin’ny làlana mety sy sahaza azy avy. Ny eto an-drenivohitra dia samy mahita, fa tsy hampihena ny isan’ny fiara mifamezivezy mihitsy izany teleferika izany, fa toa haingo sy fifaninanana eo anatrehan’ny firenena matanjaka amin’izany fotsiny, izay efa manana làlana sy arabe mihaja sy maha-te ho tia tokoa eo amin’ny renvohi-paritaniny.

Raha eto Antananarivo anefa, tsorina fa efa tsy fanao ianao intsony ny lalana, toy ny eny Antohomadinika, Isotry, Andavamamba, 67Ha, Ankazomanga, Manjakaray, sns… Ireo lalana eto Antananarivo simba ireo no tena maika, fa tsy izany haitraitra teleferika izany. Ny bus class izay mandeha amin’izao fotoana aza tsy misy mpitaingina, mainka fa izany fitaterana mihantona ho 3000 na 4000 Ar izany ny ho saran-dalana, dia tsy ho an’ny sarambabem-bahoaka mihitsy ny hanaovana azy.

Manala baraka tokoa raha ny fijery ireo ankamaroan’ny lalana eto an-drenivohitra, satria vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra, nisy olona iray niala fiara fitaterana teny Antohomadinika avy any Ivato, no tonga dia robo-drano tao anaty lavaka feno fotaka, ka dia voatery niverin-dàlana indray hanova kiraro sy pataloha, nefa handeha hamonjy mariazy, ka nahatafavoaka teny mavesatra hoe: ny telepherique ve no mahamaika, sa itony làlana simba efa tsy fampiseho masoandro itony intsony?

Satria na ny filoha Rajoelina miseho ho vazaha, na ilay ben’ny tanàna efa vazaha be dia toa minia tsy mahita azy ireny mihitsy, fa heveriny fa tanànan’ny mafy ady angamba ka tsy raharahian’izy ireo!