EDITO 13 Janoary – Fitondrana Rajoelina – Tratra aoriana hatrany vao mody mihetsika

Sôh’son

Anisan’ny fomba fiasan’izao fitondrana Rajoelina izao, izay hita misongadina fa tsy mihetsika sy mandray fepetra na koa manao asa, raha tsy efa mitranga ny olana. Io ambara eto mandrakariva hoe : « rovitra omby tondro tsy taitra, fa rehefa omby loha vao mikoropaka ». Indraindray aza dia mby amin’ilay fitenenana vahiny mihitsy hoe « Médecin après la mort ».

Mazava loatra fa ilay drafitra napetraka tany am-boalohany handray fitondrana mihitsy no ratsy fototra sy fandalinana, hany ka tonga amin’izao trangana olana maro samihafa izao hatrany tato anatin’ny telo taona. Anisan’ny tsy noheveriny fa rehefa niseho vao nikoropaka, ny kere any atsimo, ny karaman’ireo mpiasam-panjakana isan-tsokajiny, ao anatin’izany ny eny amin’ny Oniversite, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny an’ireo orinasa nampisaina hanao lalana, sns… Eo ihany koa anefa ny fampitaovana mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka toy ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Raha tsy nisy may, ohatra, ny tany Andekaleka, izay vao mikoropaka sy mody tonga hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina nitsidika izany. Inona anefa moa no hain-dRajoelina amin’izany fikirakirana angôvon’aratra, f’angaha izy teknisiana, na injeniera momba ny rianaratra. Nitsidika fa nitsidika fotsiny no nataony tany, fa raha hamaha ny olana any an-toerana dia ny teknisiana sy ny injenieran’ny Jirama ihany no hahavita izany. Efa indroa miantaona izao, ny taona 2020 sy 2021, no nisian’ny olona narary namoy ny ainy noho ny fahatapahan’ny rianaratra tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy hita mazava anefa izay fihetsika nataon’ny fitondrana manoloana izany. Efa misy mamoy ny ainy vao mitady vahaolana ? Efa tara izany. Toy izany koa ny tranga namoizana ain’olona mpiray tanindrazana marobe tany Soanierana Ivongo vokatry ny loza an-dranomasina. Efa miseho ny voina vao taitra ny fitondrana, sy izao vao manao fanadihadiana sy miezaka misoroka ny tsy iverenan’izany amin’ny manaraka.

Miseho ho tonga aloha sy nahavita voalohany miohatra amin’ireo fitondrana nifandimby teo alohany izao fitondrana Rajoelina izao. Taraiky be anefa izy amin’ny tranga na sehatra maro samihafa iainan’ny vahoaka malagasy, ary efa midona mafy amin’ilay vahoaka ilay toe-javatra vao manezakezaka mitady vahaolana sy fanafodiny, fa talohan’izany variana amin’ny zavatra hafa… tsy mahamaika ny sarambabem-bahoaka.