Maintimolalin’ny kolejy Saint Michel Amparibe – Tsy mankato ny fametrahana “pylône” teleferikan-dRajoelina

Ny Valosoa

Omaly, alahady 2 janoary 2022 no nosafidianan’ireo maintimolalin’ny kolejy Saint Michel Amparibe hijoroana sy hanehoana ny tsy fankasitrahany ny fametrahana andry na “pylône” ho an’ny tetikasa teleferikan-drajoelina ao anatin’ny tokontanin’ny kolejy.

Io alahady io mantsy no andro nokasain’ny orinasa Colas hampiditra fitaovana fitiliana ny tany, mikasika ny ametrahana ny “pylône”. Nahazo fampilazana ny kolejy fa io andro io amin’ny efatra ora maraina no tokony hiditra ny fitaovana, ary telo andro no faharetan’ny asa fitialiana. Kinanjo, tsy fantatra raha fatahorana an’ireo maintimolaly sahy nijoro, fa dia tsy nipoitra ireo mpitondra fitaovana.

Saingy toa sary fitaka ilay fampandrenesana, fa androany alatsinainy maraina no nampidirina ny fitaovana. Nezahina ho sarontsaronina izao tetikasa izao kanefa efa hita taratra teo aloha ny porofon’ny tetikasa tamin’ny loko napetraka teny amin’ny toerana filalaovam-baolina ary koa ny tsatoka teny amin’ny sisiny. Hatreto dia toa tian-kano tsy tian-kano ity tetikasa ity satria tsy mbola hita aloha ny porofo manambara fa nanome halalana ny “Père Recteur” na ny Filohan’ny Maintimolaly.

Araka izany dia maro ireo maintimolaly nijoro naneho ny heviny ary mitsipaka marindrano ny fametrahana ny “pylône” ary koa ny fampandalovana ny teleferikan-drajoelina ao anaty ny tokontanin’ny kolejy. Nametraka mazava i Randrasana Eric (maintimolaly 1984) fa tsy matahotra ny hijoro amin’ny heviny izy ireo, sady efa izay koa ny fomba nitaizana.

Nanambara i Raharison Kenny (maintimolaly 2009) fa vakoka ny kolejy Saint-Michel ary saropiaro amin’izany ireo maintimolaly. Manda tanteraka ny fampandalovana ny teleferika eo amin’ny kolejy ny tenany. Nosoritany fa voatohintohina ny tombontsoan’ny mpianatra, ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ary ireo rehetra niasa sy mbola miasa mafy manajary ny kolejy.

Naneho ny tsy fankatoavana ny fametrahana ny “pylone” koa i Rakotoharimalala Mirado (maintimolaly 2005) ary nosoritany ny mety ho loza aterakerin’ny fandalovan’izany teleferika ao anaty ny tokontanin’ny kolejy izany.

Fotoana izao, hoy ny mpanabe Ralambomanana Michèle (mpanabe 1974-2002), hanatanterahana ny teny filamatry ny kolejy hoe “Miori-paka hanasoa olona”, izay mora tenenina fa sarotra tanterahina. Nindrana ny tenin’i Père de Tourcois, Recteur teo aloha ny tenany, nilaza hoe “ry mpianatry ny kolejy Saint Michel, mahasahia mijoro, miteny raha ilaina” ary “rehefa manao dia tena manao”.Notohizany izany tamin’ny teny hoe “ny toetsaina malagasy, ny fomba amam-panao malagasy ary indrindra ny vakoka no mba harena avelantsika ho an’ny taranaka ao aoriana, ka ity kolejy ity dia anisan’ny vakoka”.

Hanaiky hihemotra toy ny tamin’ny tetikasa Ambohitrimanjaka ve i Andry Nirina Rajoelina sa hanao ny di-dohany amin’ity tetikasa teleferikany ity, izay sady tsy laharampahamena manoloana ny fahasahiram-bahoaka (jiro, rano, lalana, vidim-piainana, tsy fahandriampahalemana, aretina Covid, sns), no mametaveta toerana vakoka maro ary mety hitarika loza mihitsy?

‘https://www.facebook.com/776297593/posts/10159789266137594
‘https://www.facebook.com/1909690405921155/posts/3224162687807247