EDITO 4 Janoary – Tsy miandry ny vakansin’ny governemanta ny covid-19

Beharo

Manodidina ny resaka valanaretina coronavirus, izay hiditra amin’ny andiany faha-3 eto amintsika, aiza ireo vaovao atoandro sy isan-tapabolana? Hoy ny maro. Tany aloha tany, raha vao nanomboka niely, niparitaka ny laza ratsin’ny aretina Covid-19, dia samy nahatsapa ny rehetra, fa misy ny akom-baovao nataon’ny filoha Andry Rajoelina na ny Praiminisitra Ntsay Christian isaky ny 15 andro manerana ny Nosy, sy manerana ireo haino aman-jery samihafa. Tsorina anefa fa na dia nahazo vahana indray aza io valanaretina io tato ho ato, dia mbola tsy hita izay mba tompon’andraikitra mivantana toy ny C.C.O na O.N.N izay nanao izany, tsy mbola hita mazava koa izay lahateny isaky ny tapa-bolana fanaon’ ny filoha, ka manahy ny maro sao dia tampoka eo indray ny fanaovana izany fahamailoana hivadika ho hamehana ara-pahasalamana izany, ka hanimba indray ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny.

Ny CTC Alarobia dia efa nosokafana indray natao toeram-pitsaboana, tsy maharaka ireo hopitaly sahaza, ary efa marobe ireo miahiahy amin’ny fiparitahan ‘ny valanaretina andiany faha-3 ity, ny sisin-tany mbola misokatra malalaka, ny fanaovana aro vava sy orona mbola tsy voahaja, ary ny sasa tànana dia hita sy tsapa fa tsy ara-dalàna noho ity rano ity izay tapaka, tsy dia madio satria na ny savony ampiasaina aza dia efa nisondro-bidy ihany koa, ka manahirana ireo sahirana ara-pivelomana.

Mazava araka izany fa ny ataon’ny mpitondra mihitsy no mampiesona ny vahoaka amin’ny ankapobeny, ry zareo rahateo mbola vakansy, ny valanaretina anefa tsy miandry izay tsy hita amin’ny fialan-tsasatra any. Ankoatra izany, zatra ny manome baiko sy kabary fa tsy mijery izay foto-pahavoazana eny amin’ny fiaraha-monina izay tokony ho jerena malaky ny fitondrana Rajoelina.