EDITO 30 desambra – Nomen’ny mpitondra kadoa ratsy ny vahoaka

Sôh’son

Ratsy ny kadoa nomen’ny fitondrana ny vahoaka tamin’ny faran’ny herinandro iny niatrika ny fetin’ny krismasy. Rehefa tapaka ny jiro dia ratsy izay ny fety n’inona n’inona ambaran’ny fitondrana. Tsy misy faly amin’ny fahatapahan-jiro lava, indrindra ao anaty fotoanan’ny fety. Hasorenana ny an’ny maro, ary ny fitondrana Rajoelina avy hatrany no itodihan’ny sain’ny maro amin’izany. Tsy misy azony ialàna rahateo izany, noho ny vava nataony nanome toky tany amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra, sy tany am-piandohan’ny fitondràny, fa voavahany io olana amin’ny delestazy io izay nanakianany mafy ny an-dRajaonarimampianina. Nanebahany ihany koa io ny filoha teo aloha tamin’ny fotoanan’ny “face à face” tamin’ny fampielezan-kevitra, fa izy Rajoelina, no mahafantatra ny filàna rianaratra eto amin’ny firenena sy ny vahaolana amin’ny delestazy. Telo taona nitondrana anefa izao Rajoelina, iarahan’ny rehetra mahita sy miaina tsara, fa tsy voavahany ny olana, ary izy no tena tsy mahavoa indrindra raha efa nanana fe-potoana lava niomanana ny amin’izany.

Ny tena manahirana ny sain’ny olom-pirenena maro, dia mbola namoizana ain’olona indray ny fahatapahan’ny rianaratra. Niaraha-nahita ny filazana izany tamin’ny haino aman-jery. Dia iniana ikimpian’ny fitondrana fotsiny izao ve izany, toy ny nataony tamin’ny tranga mitovy amin’izany tamin’ny taon-dasa teny amin’ny fandraisana marary teny Mahamasina. Lasa mandeha mihitsy ny sain’ny maro irona, fa misy aina avakavahana tsy omena lanja ve eto amin’ity firenena ity? Satria azo inoana marimarina, fa raha ny fianakavian’ireo olona eo amin’ny fitondrana na manam-pahefana no tratran’izany, sanatriavina, dia tsy ho vita mora.

Niaraha-nandre tsara ny fihetsiky ny SEG teo aloha efa misotro ronono ankehitriny, sy ny vava nataony tamin’ny fisiana zandary maty tany amin’ny faritra tany, taona vitsivitsy lasa izay, fa tsy maintsy hataony hazalambo ireo namono. Fa rehefa amin’ny sarambabem-bahoaka no misy toy izany dia atao toy ny raharaha fanao andavanandro ihany. Iaraha-mahita eo, izay ho fihetsik’i Andry Rajoelina sy ny governemanta momba izao jiro tapaka namoizina ain’olona marary izao indray. Ho hita eo raha atao toy ny natao ireo mpianatra tany Toamasina sy Toliara namoy ny ainy tamin’ny hetsika nataony, izay nambara fa hisy fanadihadiana atao kanefa hatramin’izao tsy hita izay tohiny na niafaràny. Sanatria ve dia hisaina indray ny olom-pirenena hoe, tsy azy tsinona no voa dia arirarira eo ny fandehanan’ny raharaha?

Ny olona manavakavaka na tsy mahafehy vahoaka tantanina, dia tsy natao ho mpitondra velively eto amin’ity Nosy ity. Ny mendrika mpitondra eto amin’ity firenena ity dia mitsinjo ny Malagasy tsirairay, ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy. Fa raha mbola ny politika sy antokony no mibaiko azy sy fikatsahany ny tombontsoany manokana mbamin’ny fiarovany ny sezany, dia hoy ny fitenin’ny mpahay tantara hoe ” accident de l’histoire” izany, ary kisendrasendra no nahatonga azy eo amin’ny fitondrana.