23 desambra – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa sy izay mety hiantefany izao manaraka izao.

Salama Tompoko!

Iza no tena responsable an’io accident io, fa mivarotra ny ainy tsy fidiny ny zandry:
1/Iza no mbola nanome baiko hoe afaka misidina ny hélicoptères, anefa efa + de 18h, à 19h. Tany daholo PM, MDN sy SEG! Iza t@ izy ireo no nanome alalana. Toa efa nalaina ny Mpanamory gasy!
2/ Maninona no any @ helico bimoteur no mandeha i PM sy MDN, fa ny zandry no asaina mi-risika amin’ity helico Monomoteur no sady pièce atambatambatra. Dia lazaina fa ilay vazaha no mahay!
3/ inona no efa fantatr’i Lt-Col Rakotomiliarison no nahatonga azy nitondra Mécanicien.
4/ Nota: Ary aiza ity ministre ny transports, premier responsable ny fitateran’Andranomasiana no tsy namonjy tany Sonierana Ivongo ireo trà-doza! Fa ireto milices ireto no nandeha irery tany!

Ankoatr’izany, ny convois militaires dia mahavoasazy ny chef de bord ny mandeha aorinan’ny @ 18h. Mahery vintana ve i PM? Depuis 2019, roa izay ny colonels maty tao akaikiny tao. Col Roger (la 20) t@ 2019 (intendant de palais de Mahazoarivo), Col DS-ny ity (la 21) indray izao! Morts subites avokoa! Ny mahagaga, notre chef de guerre: “Vao naheno ilay helico nianjera hono i PM, tonga dia nivalana, dia lasa nankany Tamatave.”

Fa tsy azo nosorohina ve izao loza izao ? tsy izay manjary manao werwera hoe miasa mafy anefa resaka tandrevaka no nahafaty olona. Tsy nisy contrôle de procédure (transport clandestin), Tsy nisy ny respect de procédure (vol de nuit d’un helico militaire). Ampieritreretana ireo rehetra tompon’andraikitra izao voalaza izao !

Ramananjato Adrien
Ampasambazaha, Fianarantsoa.