CFM – Hanatanteraka fivoriana momba ny fampihavanana hono

Stefa

Manambara izao ny ao amin’ny CFM, na ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy, fa hanatanteraka fivoriana momba ny fampihavanana hono izy ireo ato ho ato, amin’ireo faritra maro samihafa misy eto amin’ny Nosy. Noho izay fandaharam-potoana heverin’izy ireo hatao izay, manao antso avo amin’ireo ankolafin-kery rehetra mba hanotrona ny fivoriana ny CFM, hoy ny fanambarana.

Mialoha ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023, dia nanazava ny filohan’ny kaomitin’ny Fampihavanana Malagasy Maka Alphonse, fa hisy ny fivoriana hampivondronana ireo antoko politika sy ankolafin-kery rehetra mba hihavana. Tanjona, ny mba hisorohana ny korontana hataon’ireo mpanararaotra. Ny mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena. Manoloana ny korontana etsy sy eroa, ny fifanaratsiana noho ny tsy fitovian-kevitra politika dia manao antso avo ny tenany, mba hananan’ny rehetra fitoniana. Noho izany, asaina ireo ankolafin-kery rehetra, ny antoko politika ary ireo fikambanana ho tonga hamonjy ny fivoriana izay hatao. Mbola tsy fantatra kosa anefa hatreto ny fotoana hanatanterahana izany.

Hatreto, rafitra iray mihinam-bolam-panjakana fotsiny ity CFM ity, tsy hita izay fampihavanana vitany momba ny raharaha resaka olana tany maro eto amintsika amin’izao fotoana. Ny CENI vaovao dia rafitra hiteraka korontana eto amin’ny firenena, satria rafitra efa hita fa hitanila dieny ety am-piandohana, tsy ahitana teny momba izany anefa hatreto ity rafitra misahana ny fampihavanana ity. Ny raharaha fampiasan-kery nataon’ny mpitandro filaminana farany teo tany Toliara, olona hankalazana tsingerin-taona nahaterahana miaraka amin’ny vahoaka ve dia darohana lakrimôzena, tsy ahitan-teny momba izany anefa i Maka Alphonse sy ny forongony, koa inona no fampihavanana antenaina amin’izy ireo amin’izany?