NY MADIO SY NY MARINA ARY NY MANGARAHARA

Ireto no efa tsy ao anaty rakibolan’ny mapara:
Ny MADIO sy ny hoe MARINA ary ny MANGARAHARA.
Teny telo manan-danja raha hitondra fanjakana,
Saingy ho an’ny jiolahy dia toa niniana nofafana!

Tsy madio ny fitantanana amin’ny sehatra rehetra.
Kolikoly no manjaka, miampy bizina voretra.
Ireo akamakama hatrany no tolorana, ampiadanina,
Saingy ny olon-tsotra kosa, zara raha mihinan-kanina.

Tsisy marina amin’ny asa sy ny seha-panjakana.
Itsabahan’ny mpitondra ny tontolom-pitsarana.
Baiko midina no betsaka, tsisy ny fifampierana.
Didy jadona no ataon’ireo mba manam-pahefana.

Tena tsisy, tena tsisy izany hoe mangarahara.
Raha vao ’zany no resahina, miakatr’afo ny mapara.
Dia hankaiza izany isika? Mila ovàna ny tantara.
Miantso anao ho tonga saina f’efa ho very i Gasikara!

IRINA HO TAFITA (08-12-21)