PSD sy GASYMI – Ny Fanjakan’ny Faritra no vahaolana amin’ny fahantrana eto

Nangonin’i Niaina

Misy ny fanambarana avy amin’ny antoko politika PSD sy ny GASYMI, izay soloin’ny sekretera nasionalin’ny PSD Eliana Bezaza, sy ny filoha nasionalin’ny antoko GASYMI Zafivao Jean Louis tena, mahakasika ny raharaham-pirenena.

Eo anatrehan’ny fahantrana lalipaka mahazo antsika malagasy izao hoy ny fanambarana dia : anisan’ny firenena 10 mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, anisan’ny firenena manana zaza betsaka tsy ampy sakafo, ka tratran’ny aretina tsy mitombo na « Malnutrition aigüe avec retard de croissance », izay miisa 53% ny zaza malagasy tamin’ny taona 2019 ary maherin’izany ankehitriny. Tsy afaka hangina intsony ny antoko politika PSD sy GASY MIFANKATIA (GASYMI) . Ny fototr’izao fahantrana lalimpaka izao dia ny fanafoanana ny vola natokana ho an’ny Faritany , na “Budget Provincial” tamin’ny taona 1973 izay nampivangongo any amin’ny fanjakana fohibe ny fahefana ara-bola sy ara-pitantanana eto Madagasikara efa ho 50 taona izao. Na dia nosoratana ao anaty lalam-panorenanan’ny Repoblika fahatelo aza ny fanomezana fizakantena ara-bola sy ara-pitantanana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, na “autonomie administrative et financière des collectivités territoriales decentralisées”, ary naverina nosoratana ao anaty lalam-panorenan’ny Repoblika faha efatra indray, dia indrisy fa mbola tsy nampiharin’ireo filohampirenena nifandimby teto Madagasikara izany. Efa ho 30 taona amin’ny 2023 ny tsy fanajan’ireo filohampirenena ny lalam-panorenana Malagasy, na dia nanaovan’izy ireo fiainianana teo imasom-bahoaka aza.

Tsara ny manamarika eto fa ny mpamatsy vola iraisam-pirenena dia nanamafy hatramin’izay ka hatramin’izao, fa ny fanomezana ny fizakantena ara-bola sy ara-pitantanana ny vondrom-bahoaka itsizaram-pahefana ihany ny vahaolana afahantsika miala amin’izao fahantrana lalimpaka izao.( Tatitra Banky Môndialy tamin’ny taona 2017).
Ny zava-doza aza dia ity lalàna fehizoro 2021-011 izay natolotry ny fanjakana entin’Andriamatoa Filoha Andry Nirina Rajoelina ity, izay manamafy ny centralisme eto Madagasikara.

Ka noho izany dia nanapa- kevitra ny antoko politika PSD sy GASYMI, ka nandray ny fanapahan-kevitra izao :
1/ Mangataka amin’ ny fanjakana mba hanaja ny lalam-panorenana, ka hanome ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka sy ny mpanolo-tsaina ny tandrifim-pahefana ara-bola sy ara-pitantanana, hahafahan’izy ireo manatanteraka ny vina fampandrosoana izay nampanantenain’izy ireo ny vahoaka nifidy azy.
Ny Andininy faha-146 ny lalam-panorenanana dia milaza fa:
– Ny Fanjakana dia miandraikitra ny fampiharana ireto fepetra manaraka ireto :
– fitsinjarana ny fari-pahefana eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ;
– fitsinjarana ny loharanom-bola eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ;
– fitsinjarana ny raharaham-panjakana eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana.
2/ Mitaky lalam-panorenana vaovao “ETAT REGIONAL” na “Fanjakan’ny Faritra” amin’ny Malagasy, ka miangavy antsika rehetra mba handinika sy hamakafaka ny tombotsoam-pirenena amin’ity lalam-panorenana vaovao atolotry ny antoko politika PSD sy GASY MIFANKATIA ity.

Lalam-panorenana iray ihany ho an’i Madagasikara, fa ny Governora sy Ben’ny tanàna ary ny lehiben’ny fokontany, izay fidian’ny vahoaka mivantana, no ho tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny faritra ao aminy.
Ny filoham-pirenena kosa dia ny diplaomasia any ivelany sy ny fiarovam-pirenena ary ny fitantanam-bola no andraikiny. Ka ny mpifidy maventy no mifidy azy.
Amin’izay dia tsy afaka manjaka-tokana intsony ny filoham-pirenena, sy ireo namany amin’ity lalam-panorenana vaovao ity.
Ny vola hampiasain’ny filoham-pirenena dia ny sénateurs avy amin’ny faritra 23 no manapaka azy.
Io rafitra “ETAT REGIONAL “ io, no atokisana hampisy fivoarana mirindra amin’ny faritra 23 eto Madagasikara. Ny fanampiana avy any ivelany amin’izay, tonga dia hivantana any amin’ny faritra tsirairay, fa tsy mandalo amin’ny fanjakana foibe intsony.
Hisy ny fifaninanana amin’ny Faritra sy amin’ny Kaominina, ka izany fifaninanana izany no hitarika fampandrosoana haingana ho an’i Madagasikara.

Koa miangavy ireo antoko politika, na fikambanana hafa na olon-tsotra izay mankasitraka ity fanapahan-kevitry ny antoko politika PSD sy GASYMI ity izy ireo, mba ho tonga hanatevin-daharana, ka hiara- hivory ao amin’ny SOLIMOTEL amin’ny zoma 17 desambra ho avy izao amin’ny 3 ora tolakandro.