EDITO 14 Desambra – Mizotra mankany amin’ny tsy fahavanonana ny firenena

Sôh’son

Mahavariana, olom-pirenena mitaraina amin’ny fiainany iainany andavanandro sy ny sakafo hohaniny, dia ilàna vaniny tsy maintsy mila antonta-taratasy ara-dalàna vao mahazo alalana hiteny an-dalambe eto amin’ity firenena ity. Fa fitondrana inona ity misy ankehitriny ity?

Toy ny misy sokajin’olona eto tsy ao anatin’ny mpanjifa ary tsy miasa saina, amin’izay manao hetsika fitakiana momba ny fidangan’ny vidim-piainana eto amin’ity firenena ity. Anisan’izany ireo mpitandro filaminana tsy te-hahalala afa-tsy ny baiko omena azy, ka tsy niahotra nanosika sy nanilika ireo vondron’olona mitaraina niàla teo amin’ny toerana nisy azy teo afovoan’Analakely. Niseho izany ny zoma lasa teo. Ny tena nosoritan’ny mpanara-baovao sy ny nahalala rehetra dia andro natokana anamarihana ny zon’olombelona iny andro 10 desambra iny, kanefa izany no nitranga. Fivatravatran’ny mpitandro filaminana nalefan’ny fitondrana, ary vao mainka aza niharo fandrahonana sy ramatahora izany fihetsika izany. Fa lasa firenena inona ity firenena ity?

Ny alahady teo indray, dia voarara tsy nahazo niditra ny Magro ireo mpanohana miara-dia amin’ny filoha, Ravalomanana Marc. Nipoaka mihitsy aza ny lakrimôzena nanaparitahana azy ireo, araka ny fampitam-baovao. Ny antony voalaza dia hoe, noho ny fihanaky ny valanaretina amin’izao fotoana izao. Tetsy ankilan’izany anefa, tany Vakinankaratra ny filohan’ny Repoblika, dia namory olona marobe. Efa nisy talohan’izay, tany amin’ny toeran-kafa. Tsy nisy resaka fandraràna vahoaka na valanaretina. Izany hoe, rehefa ny fitondrana no mamory vahoaka ve izany, dia malalaka, ary tsy misy fandraràna ataon’ny mpitandro filaminana, fa rehefa ny hafa, indrindra ny avy amin’ny filohan’ny antoko mpanohitra, dia tsy misy resaka fa tsy mahazo mivorivory. Hatramin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa aza tsy mahazo alalana. Fa vanim-potoanan’ny inona ity iainan’ny vahoaka malagasy ity amin’izao fotoana izao?

Izany toe-javatra izany, tsy hahasoa ny firenena velively, ary raha toy izao no fomba fiasan’izao fitondrana izao dia tsy ho vanona ny firenena.