Fandikan-dalàna tany Mahanoro faritra Atsinanana – Kandidà ben’ny tanàna tsy voafidy nosalorana samboady

Ny Valosoa

Nahitana fandikan-dalàna nataon’ny solontenam-panjakana sy olom-boafidy tany Mahanoro faritra Atsinanana ny sabotsy teo, Ramatoa kandidà ben’ny tanàna tsy voafidy tany amin’ny kaominina Masomeloka Mahanoro, Vavisoa Line, no nosalorana samboady tamin’io andro io, niaraka tamin’ireo ben’ny tanàna hafa miisa 11 voafidy ara-dalàna tamin’ny fifidianana.

Nanatanteraka izany fanolorana samboady izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena Naharimamy Irma, ny senateran’i Madagasikara Manasoa Donnah Tang, ny depioten’i Madagasikara voafidy tany Mahanoro Rakotoson Hubert na depiote Salo, ny governoran’ny faritra Atsinanana Rafidison Richard, ny Prefet an’i Toamasina, ary ny lehiben’ny distrikan’i Mahanoro Reziky Nestor.

Efa nofoanan’ny filan-kevi-panjakana ny didy nahavoafidy an’ity kandidà ben’ny tanànan’i Masomeloka avy amin’ny IRD ity, nataon’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjkakana tamin’ny volana Febroary 2021. Ny antony, ny kandidà tsy miankina Farouk no tena voafidim-bahoaka tao amin’izany kaominina izany, nisy 985 ny elanelam-bato teo amin’izy ireo, nefa navadiky ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny vokatra, ka io nofoanan’ny filankevi-panjakana io rehefa nitory ny kandidà Farouk, ary tokony mbola haverina ny fifidianana any amin’ity kaominina Masomeloka ity, toy ny any amin’ireo kaominina hafa nahitana olana teto Madagasikara, nefa mbola tsy vita hatramin’izao.

Ny volana jolay lasa teo araka ny vaovao voaray, olom-boafidy sy solontenam-panjakana any amin’ny faritra Atsinanana, no namerina an’ity kandidà ben’ny tanàna Vavisoa Line ity niasa nitantana ny kaominina nefa zavatra tsy ara-dalàna izany. Dia mbola nohamafisin’izy ireo tamin’ny sabotsy teo izany tsy fanarahan-dalàna izany, tamin’ny nampisalorana samboady ity Ramatoa ity. Ahiana hiteraka savorovoro any Masomeloka indray iny zava-nitranga tany Mahanoro ny sabotsy teo iny.