Filoha Ravalomanana – Leo amin’ny tsy mety ataon’ny mpitondra ny vahoaka

Helisoa

Notanterahina ny sabotsy teo, tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka, ny famaranana ny famelomamaso ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny boriboritany voalohany. Tao anatin’io fotoana io no namaranana ny famelomamaso na redynamisation ny TIM manerana ny boriboritany 6 eto Antananarivo Renivohitra.

Tonga teny an-toerana nanome voninahitra ny fotoana ny filoha nasionalin’ny antoko, ny filoha Marc Ravalomanana. Teo koa ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany voalohany Me Hanitra Razafimanantsoa sy ireo solombavambahoaka miaraka aminy, filohan’ny vondrona parlemantera TIM, Fetra Ralambozafivololona ary ny avy amin’ny birao politika nasionaly nahitana ny sekretera jeneraly faha-2, Mamy Rabenirina ary ireo DISTIM Antananarivo Renivohitra.

Ny mpandrindra nasionaly ny antoko TIM no nanome toromarika amin’ny fanaovana ny famelomamaso ny TIM: antsoina avokoa ireo mpikambana hatramin’izay, sy ireo mbola tsy niala ary ireo izay hiditra ho mpikambana vaovao hoy izy. Miainga eny amin’ny fototra FOKO-TIM ny hifidianana ny rafitra ao anatin’ny antoko ary tsy hisy intsony hoy izy ny olona harotsaka avy any ambony, na parachutage, fa tsy maintsy ho fidian’ny fototra, satria io no nampisy disadisa sy olana tao anatin’ny antoko.

Ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany voalohany Me Hanitra Razafimanantsoa dia nanambara mazava, fa tsy miandry ny depiote, na Distim na birao politika ny eny amin’ny fototra, fa avy hatrany dia mandray andraikitra. Nanentana ny rehetra koa izy hijery ny anarana sy hanoratra anarana raha sanatria ka tsy tafiditra rehefa tonga ny fotoana hanaovana izany. Efa miomana amin’ny fangalaram-bato ny mpitondra ankehitriny, ka aoka ho mailo isika hoy izy.

Ny filoha Marc Ravalomanana indray raha nandray anjara fitenenana dia nanambara mazava fa leo amin’ny zavatra ataon’ny mpitondra ny vahoaka Malagasy. Tsy misy mandeha amin’izay izy ny fiainana fa tena tafiditra ao anaty fahantrana lalina ny tokantrano Malagasy. Samia miomana isika hoy izy, fa efa tonga ny farany fandeferana. Sahia amin’ny lafiny rehetra avokoa. Ireo omby nafaran’ny mpitondra hoy izy no nitondra aretina ka mandripaka any Antsirabe sy ny manodidina. Tsy tokony ho entina amin’ny fiaramanidina ny omby vavy bevohoka. Tokony hilaza ampahibemaso ny mpitondra hoe: firy ny omby nafarana ary firy sisa no velona ao raha sahy ka atao mangarahara izany. Mbola nampiany hoe: izaho Ravalomanana Marc dia mpiompy omby efa an-taonany maro ary nianatra manokana momba an’io.

Fa mikasika ny famelomamaso ny antoko TIM dia nilaza ny filoha Ravalomanana fa ny redynamisation dia tsy hoe atao betsaka fotsiny ny mpanaraka, fa ny antoko TIM dia efa tokony hanaraka ny toetr’andro ihany koa. Ho avy any amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara manomboka izao ny antoko TIM hoy izy, fa tsy hijanona eto Antananarivo fotsiny. Mahakasika ny vola tao amin’ny Jirama takian’ny Banky Iraisam-pirenena, maha menatra ny zavatra ataon’ny mpitondra eto amintsika toy izany hoy Dada.