AZA MBA HO ISAN’NY V INTSONY!

Fitaovam-piadiana indray, izany ve no mahamaika,
Fa ny fahoriam-bahoaka zary toa tsy mampiraika?
Ny hampidirana an’izany mialoha ny fifidianana,
Izay no tapaky ny vendrana sy naroso hotohanana?

Tena hevitra fanary sy fisainan’olon-donto!
(Volo no hosora-menaka nefa nify no mivonto?)
Kibo fisaka sy noana ve dia mbola omena toky,
Hoe “raha mijery ilay kianja barea io dia ho voky”!

Sambo am-polony aza hatreto toa tsy re hoe efa tonga,
Na dia efa nohiraina, nidobohana amponga.
Nolazaina hitondra vatsy sy sakafo marobe,
Kinanjo reraka ny tanana na dia “nomena aza ny V”!

…Koa aza ho isan’izay V ry Malagasy tonga saina,
Fa raha mbola ireo no eo dia tsisy zavatra antenaina.
Mila ny firaisankina sy fiaraha-mientanao,
Fa efa lo ny fitondrana raha ny endriny amin’izao!

DADAN’I ZINA (27-11-21)