AKOMBONY RE NY VAVA

O ry vendrana rehetra misonanina eny ambony,
‘Ndeha efao ny trosabe, ny vava kosa akombòny,
F’efa fantatra eran-tany ny hagegenareo rehetra,
Ry mpanodinkodim-bola, mpanao bizina voretra.

Raha ‘nareo no mbola hiteny, tena tsisy hihaino intsony.
Mbola averina eto indray hoe ‘zany vava no akombòny.
Ataovy ny mangarahara ry mpitantana tsy marina,
Avereno f’aza giazana ‘reo rehetra nangalarina!

Fitapitaka misesy, laingalainga, ajanòny.
Mbola averina eto indray hoe ‘zany vava no akombòny.
Izay ialanareo milamina ‘zany sisa no hany andrasana,
F’aza miandry ny hosorohina sy haiditra ao am-pasana.

Ny vahoaka Malagasy, efa nihodina ny fony,
Ka tsy mila olon-dratsy sy mpamitaka intsony.
Raha izay V dia aok’izay fa Veta, Vendrana, Vorosoka.
Tsy mba tia manao ny tsara fa miaina anaty hosoka!

IRINA HO TAFITA (28-11-21)