Fitondrana Rajoelina 3 taona niasana – Tsy ifotorany ny fambolem-bary sy ny famporisihana ny tantsaha

Sôh’son

Dia nirotsaka iny ny orana, kanefa tsy tokony hifaly ambony ihany, satria mitatao mandrakariva ny fiovaovan’ny toetrandro, vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Tsy tokony hadinoina ihany koa, fa nisy fahataràny izany ary misy fiantraikany tamin’ny fambolem-bary ataon’ny tantsaha. Mazava loatra mety hipàka hatrany amin’ny voka-bary izany.

Tsy tokony hanahy ny amin’izany anefa isika raha nifofotra mafy hatrany am-piandohany nitantanany ny firenena ny fitondrana Rajoelina ankehitriny amin’ity sehatry ny fambolem-bary ity sy ny fanosehana ny tantsaha mpamboly. Tsy hita nisoritra ny fanampiana azy ireo, ohatra, tamin’ny fanampiana ara-pitaovana, indrindra toy ny zezika, na ny fanaovana fifaninanana ihany koa famporisihana.

Tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana, dia nisongadina izany ezaka samihafa izany, ary nampalaza azy aza ny amin’ny fanaovana fitaratr’i Madagasikara na « vitrine de Madagasikara » amin’ny fambolena. Vitany mihitsy aza ny nanàla tao an-dohan’ny Malagasy ny lasintsaina nipetraka nandritry ny taonjato maro izay lasa fomba fisainana raikitra ny hoe: “ny tany mena ve hirehitra?”. Naneho môdely ny tenany, fa azo avadika ho tany fambolena ny tany mena, ary nasehony teny amin’ny tany malalaka teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izany.

Vao niditra nandrombaka fahefana anefa ny mpanongam-panjakana ny taona 2009, dia tapitra teo koa ny momba ny fikarakarana sy fiheverana ny hanatsara izany. Iaraha-mahalala, ankoatra ny miharo fankahalana olona, dia tsy mpanome lanja velively izany sehatra izany ireo mpandrombaka fahefana tamin’izany. Mbola hita taratra aza izany miditra amin’izao fitondrany izao. Niaraha-nahita ny fikasan’ny fitondrana saika hiroso amin’ny fanapotehana sy fanotofana tanimbary amina arivony hektara teny amin’ny lemak’i Betsimitatatra ireny. Be ny olom-pirenena no nanakiana ihany koa ny amin’ny politika ny fanomezan-danja fanafarana vary any ivelany. Tsy vitan’ny fitondrana tao anatin’ny telo taona ny famahana olana amin’ny voly vary sy fampitomboana ny vokatra mba ho ampy hamatsiana ny mponina. Tokony ho vita anefa izany raha nisy tokoa ny ezaka sy finiavana.

Ny manahirana, ny nofinofin’izao tontolo izao no heverina asandratra eto, fa tsy ny nofinofin’ny vahoaka malagasy, dia ny hiadana sy ho finaritra eto amin’ity Nosy nolovaina tamin’ny razany ity. Ny fakana ny tanin’ny tantsaha, ny fanafarana vary be avy any ivelany aza dia tena famonoana tsotra izao ny tantsaha Malagasy ataon’izao fitondrana Rajoelina izao.