EDITO 26 oktobra – Fitondrana Rajoelina – Tsy manana tohan-kevitra mitombina, tsy marim-pototra sy tsy mazava

Sôh’son

Tsy maharesy lahatra ny filazana ambaran’ireo olon’ny fitondrana, raha nilaza tato ho ato momba ny amin’ny tokony hametrahana ilay fitaovam-pitaterana mikorisa amin’ny tariby eto Antananarivo renivohitra. Nambaran’izy ireo, fa natao hamerenana ny kolontsainan’Antananarivo izy io, hoy ny tomponandraikitra iray. Momba ny amin’ny setroka manempotra ny ankizy noho ny habetsahan’ny fiarakodia mifamezivezy eto an-drenivohitra indray koa, no nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Miharihary fa maivamaivana izany fanehoana sy fanohanan-kevitra izany.

Izany ve haharesy lahatra ny mpandalina ny fiainam-pirenena na ny olom-pirenena, izay mahafantatra tsara ny amin’ny niavian’ny vola hanatanterahana ny asa? Vola notrosaina tamin’ny fitondrana frantsay no nahazoana ny vola. Midika zavatra maro sy lehibe izany. Eo ny fotoana tsy maintsy hamerenana ny vola, izay ny vahoaka no lasibatra amin’ny fandoavana izany; ary eo ihany koa ny fatotra amin’ny endriny samihafa amin’ny fitrosana, indrindra amin’ny fitondrana frantsay no mitrosa vola. Ny hetahetam-bahoaka aza dia ny fikatsahana hiala haingana ny geja mamatotra ity firenena ity amin’ny fitondrana frantsay. Izao ilay fitondrana Malagasy mihitsy no manao hatrany izay hahamafy ny geja manjo ny firenena. Lasa mpitari-bato vilam-bava hatrany ny fitondrana, ny ataon’ny tanana hafa, ny tondroin’ny molotra hafa. Miseho mitaky ny Nosy Malagasy amin’ny fitondrana frantsay kanefa etsy ankilany mandadilady aminy amin’ny fitrosana vola hanatanterahana fotodrafitr’asa. Mazava loatra, tsy hahazo rariny velively amin’ny fitakiana ireo Nosy manodidina ireo izao fitondrana izao, fa ho arirarin’ny fitondrana frantsay. Efa fantatra rahateo ny politikany, fa ny mpitondra Malagasy mihitsy no minia mikimpy sy mandeha an-jambany manao fa ho any fa hoany fotsiny amin’ny fitakiana, mba hisehoana amin’ny vahoaka fotsiny sy hihatsaranavelatsihy, fa hoe tia tanindrazana. Raha tena hitaky marina ireo Nosy ireo ny fitondrana Malagasy, dia atsaharo ny fitrosana na ny fangatahana vola sy fiaraha-miasa amin’ny fitondrana frantsay, hoy ny nambaran’ny mpitarika ny antoko Otrikafo izay.

Ireo tsy mijery lavitra, hoy ireo mpanasohaso sy mpisolelaka amin’ny fitondrana no manakiana ny amin’ity fitaterana vaovao ity. Mazava loatra, fa tsy mampiraika azy, izay mpahazo tombontsoa amin’ny fitondrana isan’andro, ny fahoriana sy ny fijaliam-bahoaka amin’ny fiainana andavanandro. Ireo ilay mpanao vain-drahalahy tsy marary. Ny vahoaka izay mikaikaika tanteraka amin’ny fahasahiranana noho ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro. Tsy misy afitsoka amin’ny vahaolana momba izany anefa izao fitondrana izao. Ny mahamaika azy, ny fitaterana mikorisa amin’ny tariby izao. Hahavaha ny olana amin’ny any anaty vilanin’ny isam-pianakaviana ve ny fisian’ izany, sy hisy fiantraikany amin’ny kitapom-bolan’izy ireo? Mazava loatra, fa tsy hisy, satria tsy ny sarambabem-bahoaka sahirana ara-pivelomana velively no hisitraka izany raha ho vita, fa ireo manan-katao ihany. Ny saran-dalana amin’ny taxibe aza, ny ariary zato famerim-bola mbola takiany mafy ery sy ny fiadiany varotra amin’ny saran-dalana amin’ny misy amin’izao fotoana izao. Ny Bus Class 1500 Ar ny saran-dalany aza amin’izao fotoana, zara raha misy mpitaingina.