Politika sy ireo Malagasy any ivelany – Hamondrona ny heriny ireo mpomba an-dRavalo any Frantsa

Isambilo

Toy ny ataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sy ny RMDM (Rodoben’ny Demokrasia eto Madagasikara) eto an-toerana, fantatra izao fa hamondrona ny heriny koa ireo Malagasy monina sy miasa any Frantsa mpomba ny filoha Marc Ravalomanana. Hamondrona ny heriny ireo ao amin’ny antoko sy vondrona politika miara-dia amin’i Dada any ivelany, toy izany koa ireo olon-tsotra resy lahatra amin’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM sy ny RMDM.

Nanao fanambarana izy ireo mahakasika izany:” izahay rehetra mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana eto Frantsa, dia nanapa-kevitra ny hitambatra ato anatin’ny vondrona iray izay mitondra ny anarana hoe “PRO-RAVALOMANANA FRANCE”. Hiara-hiasa am-pirahalahiana sy hanao ny fomba rehetra ara-dalàna hitondra ny filoha Ravalomanana hatrany amin’ny fandresena amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy. Natao ity fampandrenesana ity, mba hampahafantarana ny zava-misy eto Frantsa ary manantena fiaraha-miasa avy amin’ny filoha Ravalomanana sy ny rehetro izahay”.

Izay mitambatra tokoa vato, fa izay misaraka fasika, hoy ny fahendren’ny razantsika izay.