Filoha Rajoelina – Mivadibadi-dela lava, tsy matotra mihitsy

Andry Tsiavalona

Tsy hay intsony ny anasokajiana izao “fitondrana manarapenitra” izao, satria efa mihàtra aman’aina foana ny fahavoazana eo amin’ny sehatra rehetra vao mody mikoropaka, sy miseho mandroso vahaolana. Atomboka amin’ny fampahatsiahivana ny nataon’ny fitondrana nanoloana ny valanaretina covid-19 ny resaka entina manamafy izany.

Namaivanin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ho tsy mafy noho ny aretina pesta sy kolerà ity valanaretina ity. Noho ny fahatsapana fa efa tena loza nihàtra ny valanaretina dia niantsoantso ny teo anivon’ny fanoherana momba ny fanidiana ny sisintany sy ny habakabaka. Efa niparitaka ny valanaretina vao nanao izany ny fitondrana ary namoaka didy nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana (état d’urgence sanitaire) mihitsy. Na izany na tsy izany dia nampitodika ny mason’izao tontolo izao teto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika, satria namokatra fanafody, CVO, mahasitrana ny “corona virus”, hono, ny Imra etsy Itaosy. Tsy ilaina ny mitanisa ny tsy fahombiazan’ ity fanafody ity na teto an-toerana na tany amin’ireo firenena avy any ivelany, mba tonga naka ny anjarany. Na dia efa hita sy tsapa aza izany tsy fahombiazana izany dia tsy nanaiky nanao vaksiny ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, fa ny CVO ihany, hono, no niaro azy sy ny fianakaviany.

Rehefa namonjy ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany New York anefa ity filohan’ny Repoblika Malagasy ity dia nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera any ivelany, fa efa vita vaksiny izy ny volana febroary 2021 izy. Marihana fa tsy afaka niditra tao amin’ny efitrano fivoriana tao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana izay tsy vita vaksiny. Araka izany dia toa te-handripaka ny vahoaka Malagasy amin’ny fomba an-kolaka izao fitondrana izao, satria matoa tsy nanamarina na nandiso ity vaovao ity ny ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, na izy tenany voakasika, dia marina izany ny vaovao. Amin’izao fotoana izao raha niantso ny mpiara-miombon’antoka sy ireo tomponandraikitra ao amin’ny masoivohon’ny firenena any ivelany ny filohan’ny Repoblika, ka manao antso amin’ny vahoaka Malagasy izy hanao vaksiny. Angamba tsy noho ny fitiavany ny mpiray tanindrazana aminy, fa noho ny fiandrandrana vola hirotsaka indray.

Tsara ampahatsiahivina fa vao tafaverina avy any amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana sy nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-pirenena (FMI) ny filohan’ny Repoblika, ka nahazo ilay 332 tapitrisa dolara (DTS) dia nandeha tany Atsimo nampanantena indray, fa hatomboka ny fametrahana ilay fantsona fitarihan-drano. Nahatsapa, angamba, ny filohan’ny Repoblika fa tsy azony atao ny mampiasa io vola io, ka tao amin’ny fivoriana voalaza etsy ambony dia nanambara ihany koa fa laharampamehana ny ady amin’ny kere any Atsimo sy ny ady amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Araka ny vaovao dia efa miisa efajato sy iray tapitrisa no miaina ny tsy fahampian-tsakafo any Atsimon’ny Nosy dia mitalao amin’ny mpiara-miombon’antoka indray ny mpitondra. Ny manahirana ireo fikambanana iraisam-pirenena anefa dia ny fitantanana tsy misy mangarahara ataon’izay manana andraikitra rehetra eto Madagasikara.

Ny zava-doza mananontanona ny vahoaka Malagasy rehetra ihany koa dia ny fisamboram-bola dimapolo ambizato tapitrisa euros amin’ny frantsay hanaovana “téléphérique” eto an-drenivohitra. Tsy misy zavatra marevaka hanaovana fisehosehoana ny fantsona fitarihan-drano any Atsimo, fa raha vita kosa ity fitateram-bahoaka tsy mitehan-tany fa mikorisa eny ambony eny ity dia hitanaka vava ny rehetra saingy maro no tsy afaka hitaingina izany kanefa mibaby trosa tsy maintsy hefaina na tiana na tsy tiana. Ny fanarenana ny orinasam-pirenena, raha tsy hiteny afa tsy Air Madagascar, izay manana trosa volopolo tapitrisa euros, no maika ary tokony ho nisamborana ny vola voalaza etsy ambony, satria samy fitaterana ireo. Hisokatra tsy ho ela ny sisintany kanefa dia ny hihazakazahan’ny mpitondra dia ny manova ny anaran’ny Air Madagascar ho Madagascar Arways, satria azo inoana fa misy ketrika indray ao ambadik’izany. Efa fomba fiasan’izao fitondrana Rajoelina Andry izao tokoa mantsy, hatrany amin’ny tetezamita, ny manodinkodina izay mety ho tombontsoam-pirenena ho any amin’ny tombontsoany sy ireo mpiaradia aminy manokana.