ANY INGAHY PRAIMINISITRA ! (Akon’Ambohitsaina)

Aiza izay mba vahaolan’ny filoha sy ny eo ambaniny,
Fa ny ataony toa vao mainka ady sy filana vaniny?
Mpiasa mba mitaky tsotra ny karama sy ny zony,
Dia tsenaina teny an’avona, mandratra ny any anaty fony!

Moa tsy azo atao intsony ny “mitaky sy mitokona”,
F’efa omanina ho azy “ny be sandry sy be bokona “?
Ianao tsy mahaloa karama sy mpangataka andro lava,
Ianao indray ankehitriny no miseho ho avo vava?

Angaha tsy misy indray ny vola sa nanjavona sahady,
No indro fa mipenimpenina ary dia manangana ady?
Sa dia efa tsy milamina sy mihilangilana ny seza,
Ka dia romodromo-dava ianareo rehetra ngeza?

…Henoy ny feon’iretsy mpiasa ry mpitondra ery ambony.
Ny karamany, omeo, fa zony izany, tena zony.
Aza modimody fanina na modimody miala bala.
Raha nahodina indray dia tsara ho anareo ny miala!

IRINA HO TAFITA (18-10-21)