OJM – Holafitry ny mpanao gazety – Fifidianana amboletran’ny ministry ny serasera Lalatiana – Tsipahan’ny “cellule de crise”

Solontenan'ny "cellule de crise" mitsipaka ny amboletra ataon'ny ministry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy

Ny Valosoa

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny “cellule de crise” manoloana ny famotehan’ny ministry ny serasera Lalatiana ny tontolo’ny asa an-gazety.

Nandray fitenena ny mpanao gazety Fernand Cello ary nanambara fa:
“Manohitra ny latsabato izay natao amboletra anio sabotsy 16 oktobra 2021
Maro ireo fandikan-dalàna izay tsikaritra nandritra ny fandatsahambato androany. Teo ny faneriterena mpanao gazety, na eo amin’ny haino aman-jerim-panjakana na privé. Anisan’izany ohatra ny famoriana mpanao gazety amin’ny androm-pifidianana any amin’ny faritra Farafangana, izay niendrika fisakafoanana kanefa fampielezankevitra amin’ny andro fandatsahambato.

Nisy ihany koa mpanao gazety izay nahazo fandrahonana tany Morondava, izay nandray anjara tamin’ny fandaharana omaly, izay niresaka ny lisitra nisy an’i Monica. Nitomany ilay mpanao gazety satria nisy fandrahonana azony. Ka mbola ho arahina eo ihany ny tohiny.
Manameloka ny herisetra nahazo ny mpanao gazety any amin’ny faritra Sofia izay nataon’ny assistant sy mpamilin’ny solombavambahoaka (ndlr, Jao Jean) any an-toerana.
Manameloka ny hestsika nataon’ny minisitry ny serasera tamin’ny fandaharana tsy miankina omaly izay niresahana ny fiainan’i Annie Andrianaivonirina manokana rehefa tsy nitovy hevitra aminy na tsy nety nanaraka ny amboletra izay ataony amin’izao fotoana izao.

Farany, izahay dia hiaro ireo izay nanao vato fotsy ary izay nandatsabato anio, ary nametraka requête any amin’ny Conseil d’Etat handeha amin’iny herinandro iny.
Ny “cellule de crise” dia hanamafy ny hetsika ary milaza fa toy ny tsy misy ny fifidiana izay natao anio.”

Nanamafy ny teny ny mpanao gazety Heninkaja Rakotomanantsoa nanambara momba ny ho tohin’ny “cellule de crise” ary nilaza fa:
“Hisy ny rafitra izay ho atsangana isaky ny faritra. Fotoana izao tsy maintsy hanamafisana ny fiarovana ireo mpanao gazety. Rafitra hiombonan’ireo mpanao gazety rehetra ity.”