Mpanao gazety manohitra fifidianana – Hanangana ilay rafitra mahaleotenan’ny mpano gazety anio

Ny Valosoa

Hanangana ilay rafitra mahaleotenaa ho an’ny mpanao gazety rehetra eto Madagasikara anio, ireo mpanao gazety manohitra ny fifidianana ny holafitry ny mpanao gazety ataon’ny ministeran’ny serasera amboletra nefa fifidianana tsy ara-dalàna. Etsy amin’ny Cnpc Antanimena no hanao izany fivoriambe fananganana ity rafitra ity izany, ny mpanao gazety rehetra, na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Fa mahakasika ilay fifidianana ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) atao amboletra, nipoitra amin’izao fotoana ny nafenina, satria noteren’i Ministra Veta: Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy sy ny tale jeneralin’ny serasera Fetra Rakotondrasoava hirotsaka ny kandidà Monica Rasoloarison.

Navoakan’ireo ao amin’ny “cellule de crise” ny mpanao gazety ny feo mahakasika izany nambaran’i Monica: « Tsy misy zava-pantako izany OJM izany, ary tsy manana fotoana amin’izany aho, noterena hanao io filohan’ny OJM io aho rehefa tsy nisy ny kandidà nirotsaka tamin’izany».

Olona tsy mahafantatra ny resaka OJM ary tsy manana fotoana ny amin’izany akory ve no tendren’ny Ministera hiaro mpanao gazety? Lasa ihany ny sain’ny rehetra mahakasika ity fifidianana kasaina hatao anio ity noho izany. Ny fanafoanana an’io fifidianana io ihany noho izany no vahaolana, ary miverina mifampidinika ny rehetra voakasik’ity raharaha ity.

Tsy tokony ho zarazarain’i Ministra Veta noho ny politika malotony ny mpanao gazety!