NY MINISITERAN’NY SERASERA

Tena may ve ny endim-boanjo ka tsy misy tsy tsabahana?
Ny holafitra mihitsy no tsy omena fahafahana?
Izay handoatra ny am-bilaniny, ‘nareo mihitsy no hanendry?
Izany ve dia foto-kevitra sy fisainan’olon-kendry?

Hatramin’ny fifidianana avy no anaovana hafetsena,
Ka dia kandida iray, izay ihany no nekena?
Izany ve ry Mamasaosy dia mba resaka lojika,
Sa demokrasiam-poza no atao eto amintsika?

Raha izay hoe minisitera, “inona àry akia no hidirany”,
Ny amin’ny resaka holafitra sy ny zava-manahirany?
Efa fantatra mazava fa ny hangeja sy hanasazy
Ireo “mpanao gazety henjana”, izay no mahadodona azy.

Ka aleo mipetrapetraka ianareo minisitera,
F’aza tia manefitefy sy manao aferafera.
Aleo ny holafitra hijoro, hiaro ireo mpanao gazety.
Zon’ireo ny manakiana sy milaza ny tsy mety!

DADAN’i RIANA (14-10-21)