Baolina kitra Malagasy – Voapitika avy tao amin’ny komity fitantatanana ireo efatra mianadahy niray tsikombakomba hanala ny filohan’ny FMF, Arizaka Rabekoto Raoul

Olan’ny baolina kitra, ny FMF sy ny fitondrana – Mety handefitra Arizaka Rabekoto Raoul raha ny fahalalana azy

Helisoa

Araka ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny ligin’ny baolina kitra eto Madagasikara, niaraka tamin’ireo solontenan’ny FMF dia hatsahatra tsy ho filohan’ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny filohan’ny federasiona Raoul Arizaka Rabekoto. Ireo filoha lefitra sy ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraka no miaraka mitantana ny federasiona araka ny tapak’izy ireo ary ireto farany ihany no hikarakara fifidianana, izay hitondra ny federasiona vaovao.

Eto dia hita fa manararao-paty ireto farany, satria mahita fa hoe nosazian’ny fitsaràna hiasa an-terivozona mandritra ny 10 taona sy mandoa honitra ny filohan’ny federasiona ny baolina kitra Raoul dia manararaotra mivory manala azy eo amin’ny toerany. Io anefa mbola tsy afaka ao ambavan’ny maro ny teny nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina teny Ivato nandritra ny fahatongavany avy any Frantsa hoe: “ fatatro daholo nareo; ho hitanareo tsara ny hahazo anareo “. Midika izany fa tetika ataon’ny filohampirenana sy ny minisitry ny fanatanjahatena ary ireo mpiray tsikombakomba aminy, no nahatonga izao zavatra izao raha dinihana amin’ny zavatra nisy tao anatin’ny fotoana fohy.

Inona anefa no ho fiantraikan’izao fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakàna izao? Sazy na sanctions no mety ho azon’ny baolina kitra Malagasy. Nefa ny filohan’ny federasiona ny baolina kitra Arizaka Raoul raha ny fahafantarana ny toetrany dia mety handefitra ny tenany, satria tsy ho eken’ny sainy mihintsy izany hoe ho voasazy izany ny baolina kitra Malagasy. Ka dia eo isika mahita izy, satria tantara mbola mitohy io.

Fa araka ny vaovao farany, nesorin’ny Federasiona tsy ho ao amin’ny Comité Exécutif intsony ny mpikambana miisa 4, noho ny hadisoana be vava nataon’izy ireo dia: Andriamanampisoa Alfred, Raveloarison Erick, Lay Mein Alexandre ary Ramatoa Andriatsimialona Sandrine Michaela. Misavorovoro tanteraka arak’izany amin’izao fotoana ny ao amin’ny FMF ao, noho ny nampidiran’ny fitondrana, politika ao amin’ity rafitra mitantana ny baolina kitra ity.