HO FITSENANA MANETRIKETRIKA ?

Hotsenaina ve ireo omby dia hanaovam-porizenitra,
Fa izay ilay fitsenana kanto sy manara-penitra?
Dia asaina mba mandia ny karipetra menamena,
Ka hanotrona an’izany ny filoham-pirenena?

Hotsenaina ve ireo omby ka ho fitsenana miavaka,
Dia hitsofana mozika sady hanaovana hiram-bavaka?
Hoe ireo omby izay nohafarana no hampitony ny taraina,
Ka hanala ny mangidy sady hamelona ny maina?

Hotsenaina ve ireo omby dia hanaovana kilalaka,
Mba ho mari-pifalian’ireo izay trotraka sy valaka?
Ary ny filoha mihitsy no hanao ny fanentanana,
Sy hilaza fa ireo no tena hitondra fiadanana?

Hotsenaina ve ireo omby, (izany no handaniam-potoana )?
Fa tsy ny hizara vatsy ho an’ireo izay tena noana?
Mandiniha ka ‘ndeha jereo “ny maika” sy “ny lohalaharana”,
Fa be loatra ny hagegena sy hadalana tsy mifarana !

Hotsenaina ve ireo omby, ary dia ifanarahana
Fa tsy maintsy ampiharina aminy “ny fandrindrana fiterahana”?
Ary dia hotsofin-drano ho be ronono sy hatavy,
Ka dia ho tanteraka aminy ny fito lahy sy fito vavy?

TSIMIMALO (07-10-21)