EDITO 14 septambra – Fitondrana Rajoelina – Miezaka manarona ny tsy fahombiazany hatrany

Sôh’son

Miezaka manarona hatrany ny tsy fahombiazany lehibe eo amin’ny fitantanam-pirenena amin’ny zavatra hany vita, ka tokanany ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana izao. Ary ny mahavariana dia abaribariny mihitsy ny tsy finiavany hamerina ny hasin’ny fihavanana, sy hitandro izany eo amin’ny samy mpiray firenena. Tsy olom-panjakana manana fahendrena no hanisy teny an’avona amin’ny tsy mitovy hevitra aminy rehefa eny imasom-bahoaka, na sendra misy fitenenana atao. Tsy fahendrena mpitondra Malagasy mandala ny soatoavina maha Malagasy izany. Tsikaritra hatramin’izao fa izao fitondrana Rajoelina izao, dia tsy ahitana taratra mihitsy ny amin’ny finiavana na kely aza ny hizotra amin’ny famitranana ny fihavanana eto amin’ity firenena ity. Miteny “fihavanana” izy na “firaisankina”, fa zary fitenenana fe fitenenana fotsiny ihany izany, fa tsy anaty fo velively. Hita tamin’ny asa samihafa efa vita teto amin’ny firenena izany raha tena avy amin’ny fo sy saina. Ny ataony indray aza dia zary toa mandefa teny manisika ao anaty sain’ny vahoaka ny fanosehana na fanilihana ny hafa tsy hiara-dia aminy, toy ny mpanohitra, ireo mitsikera sy manakiana, ireo tsy miombon-kevitra aminy. Niseho izany tany avaratry ny Nosy iny tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny olona tena ilain’ny firenena amin’izao fotoana izao anefa ary afaka hampandroso azy dia olona mpampitambatra “rassembleur”. Tsy tamin’izao fitondrana izao velively anefa no ahitana taratra izany hatreto. Iaraha-mahita ny manjo ireo mpanohitra sy ireo tsy mitovy hevitra aminy tao anatin’izay roa taona sy tapany nitondrany izay. Ary vao niseho tamin’ny faran’ny herinandro iny indray ny fihetsika efa fanaony hatramin’izay tamin’ireo nanao hetsika tany Antsirabe.

Sehatra marobe samihafa no ahitana taratra ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao. Ny iray lehibe amin’izany dia ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fahantrany lalina. Tsy misy vahaolana maika mba vita hamahana ny olam-piainana hatramin’izao. Notazanim-potsiny teo, ohatra, ny nanjo ireo ray aman-dreny Malagasy maro sahirana nampiditra ny zanany hianatra, amin’ny taom-pianarana fahatelo ao anaty fitondrany. Ity seha-pampianarana ity izay tsy mbola milamina hatramin’izao, fa mba mizotra dia mba mizotra fotsiny. Mangirifiry amin’ny vahoaka Malagasy ny zava-misy, kanefa iniana ikimpiana satria tsy mahavaha olana. Ny vidim-piainana tsy misy fihatsaràny, fa ny atao dia mody hoe hitazona ny tsy hiakarany intsony. Maro amin’ireo sakafo fanjifan’ny mponina andavanandro anefa no iharan’izany, ary tonga hatrany amin’ireo tsy azony ialàna na heverina ho madinika aza. Ny seha-pitaterana dia efa iaraha-mahita sy miaina, fa tsy misy afitsoka amin’ireo olana manjo ny vahoaka isan’andro izao fitondrana izao. Ary ny mahavariana dia toa faly mitokana lalana vita fotsiny ilay fitondrana, f’angaha hihena ny saran-dalana na ho maimaimpoana ho an’ny mpandeha ao anatin’izany?

Tany amin’ny faritra avaratra, raha nasiaka tamin’ny fitenenana sy nolazainy ho mpanaratsy sy manao fanaratsiana fotsiny ny hafa, izao fitondrana Rajoelina izao, ialan-tsiny amin’ny fanoharana, fa toy ny “akoho maika hivoaka maraina, fa tsy lasa lavitra”.