Ministra Lalatiana – Mikorapaka noho ny resaka fiainany manokana

Ny Valosoa

Mikorapaka araka ny fitenin’ny zatovo azy amin’izao fotoana, ny ministra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, sy ny antokony Freedom, noho ny fitsikafonan’ny fiainan’izy sy ny vadiny manokana amin’ny tambazotran-tseratsera sosialy facebook amin’izao fotoana. Namaly ireny fidiran’ny olona amin’ny fiainany manokana ireny Ramatoa ministra, namaly sy naneho hevitra momba izany koa ny antokony Freedom. Raha tsiahivina, niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ny raharaha mahakasika ny mpanakanto iray voalaza ho nisy nikasa hamono tamin’ny alalan’ny tifitra basy.

Voatonontonona amin’izany ny fiainana manokan’ny ministra Lalatiana sy ny vadiny Andry Andriantogarivo. Tsy vitan’izany, navoakan’ny gazety iray mpiseho isan’andro ho matoan-dahatsoratra izany resabe miely izany. Manoloana izany rehetra izany, nitondra fanazavana ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy. Manameloka mafy ny fanelezana tsaho na atsanga tsy aman’orana hono ity farany.

“Na inona na inona ny tsy fitovian-kevitra politika, ny fanelezana atsanga tsy aman’orana miainga amin’ny fiainan’olona manokana dia melohina amin’ny hery manontolo ary tsy azo ekena mihitsy”, hoy ny minisitra Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy tao amin’ny tambazotran-tseraserany. Ny birao politikan’ny antokony koa dia manameloka izany fidirana amin’ny fiainan’olona manokana izany. Mahakasika ity raharaha ity, raha tsy marina tokoa ary ny zava-mitranga, tokony hanenjika ilay gazety voalaza fa namoaka vaovao tsy marina sy nanaratsy azy izy. Toa mbola ho tantara mitohy ity raharaha ity.