4 Septambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao, sy ny mpamaky azy ary ireo izay mety hiantefany izao manarak izao.

Misy fomba fiteny izay: NY SANDRY BE TSY MITAHY MIADY.

Andriamatoa Filoha hajaina, fo tsy misorona no entiko, ataovy toy ny voankazo amoron-dalana ka izay mamy atelemo, fa izay mangidy ario. Raha diso ny teniko, ario fa izaho aza ariana fa havanao, Gasy toa anao mihevitra ny mba tia an’ity tany sy firenena ity toa anao.

Amin’ny MAHA GASY ANTSIKA dia tsy fanao Tompoko ny manomboka fananganana na mitokan-javatra, indrindra fa zavatra amin’ny tany masina toa an’i Mahamasina io amin’ny FOTOANA RAVA VOLANA TAHAKA IZAO.

Na dia matanjaka sy kinga aza ireo Mpilalaontsika ireo dia mila miankina amin-javatra maro izany, ka anisan’izany ny fanajana ny hasin’ny fomba amam-panao maha Gasy antsika.

Na izany aza, toko tapaka vilany mitongilana, izay tsy mety arenina.

Mankahery anao sy isika Gasy rehetra fa tsy lahatra ho antsika ny faharesena, fa antsika samy isika ny fiarenana.

Andriandrainarivo Josephin
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao