ZERO ARIARY ANY AMIN’NY SEKOLIM-PANJAKANA ?

Aminay “ny maimaimpoana” dia tsy misy vola aloa.
‘Zay mahafeno ireo fepetra dia horaisina avokoa.
Tsy ‘zany anefa no miseho Andriamatoa Filoha hajaina,
Ka mampiaka-peo ny maro sady tena mitaraina.

Samy manana ny alainy ireo sekolim-panjakana,
Telo alina isan-jaza raha ny anay eto an-tanàna.
Izany ve no tsy mandoa, izany ilay zero ariary,
Sa ‘zahay no diso fihaino, tsy mahazo ny kabary?

Aminay ny maimaimpoana dia tsy misy vola aloa.
‘Zahay tsy te hahalala intsony hoe misy an’itsy na iroa.
Ka raha ny fampandoavam-bola dia tsy azonay ekena
Fa mifono famitahana sy karazana hafetsena.

Risoriso moa tsy ferana, f’efa lasa fahazarana.
Vola an’aliny no aloa dia indro fa voaray ny anarana.
Ireo izay manamanam-bola no miroso ho amin’izany.
Tsisy akory fitsapana fa dia raisina avy hatrany.

Aminay “ny maimaimpoana” dia tsy misy vola aloa.
Maminay ny handefa hianatra an-dry Koto sy ry Soa,
Ka aoka hojerena akaiky fa mijaly ireo sahirana,
Ny amin’ny fitakiana an’aliny mba ho saram-pampidirana.

‘Ndeha ka tano sy ampiharo ity ilay hoe “zero ariary”,
F’aza tanana ho teny na hajanona ho kabary.
Nisy fizaràn-kitapo miampy “akanjo fanamiana”.
Tamin’ny “dada” vita izany ka nahoana aty aoriana?

Andeha tohizo ny asa tsara izay nataon’ny teo aloha,
Fa aza faly misavoana ianao Andriamatoa Filoha.
Andeha jereo akaiky koa ny sehatry ny fampianarana,
Noho ny ataonareo dia potika ka ilana fanamboarana.

TSIMIMALO (03-09-21)