Rajoelina tany Frantsa – Dia ny tena no menatra

Ny Valosoa

Tafaverina an-tanindrazana Ingahy Filoha Rajoelina rehefa avy nitsidika tany Frantsa nandritra ny herinandro. Nampisitri-belona ny zava-nataony tany ivelany, afa-baraka tanteraka ny vahoaka malagasy nanana azy ho filohampirenena, satria ny tsy nataon’ireo filoha nifandimby nandritra ny enimpolo taona no nasehony. Namonjy fivorian’ny mpandraharaha teny amin’ny kianja fanaovana hazakaza-tsoavaly Ingahy filoha ary izy irery no filohampirenena nanatrika izany, fa ny an’ny firenena hafa dia mpandraharaha avokoa no tonga tao, tsy nisy resaka matotra sy mahasoa ho an’ny firenena ny fihaonana tao, fa dia fivorivoriana “pour rien”, izay no mahalaza ny tiana ambara.

Ny Zoma 27 Aogositra 2021 indray, dia noraisin’ny Filoha frantsay tao andapa Ingahy Filoha malagasy, tsy mbola fahita nandritra ny enimpolo taona koa ny zava-niseho tao amin’ny Lapan’i Elysée, tsy nisy ny karipetra mena ilay fandehanan’ny olo-manakaja, tsy nisy koa na dia iray aza sainampirenena malagasy nikopakopaka tao andapa, ary tsy heno tao koa ny hirampirenentsika, dia mifanontany avokoa ireo nanaraka ny zava-niseho tamin’ny fahitalavitra nanao hoe: sao dia efa tsy filoha intsony ny fihevitr’ireto vazaha ireto ny filoha Malagasy Rajoelina, sady raha ny nambaran’ny mpanao seraseran’ny Filoha Emmanuel Macron dia “ entretien”, no nanasokajiana ny fihaonan’ny filoha roa tonta, amintsika malagasy izany “entretien “izany dia midika, ho fihainoana olona iray mitady asa, ka ny mpampiasa no mampanao ny “entretien”, avy eo dia mandray fanapahankevitra ilay lehibe na ho raisina na tsia ilay nampiresahina.

Fa ny tena loza tamin’ilay fihaonana dia ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, no natao nialohan’ny fihaonan’ny filoha roa tonta, ny dikan’izany dia ny frantsay no namaritra mialoha izay hiseho, fa mpandray baiko fotsiny ny antsika, ny tena tsy faseho masoandro dia ny teo amin’ny fandraisana fitenenana, mifanakaiky ny filoha roa tonta kanefa dia namoantsapona indray ny filoha malagasy, satria namaky be fahatany tsy tam-pisainana izay teo ambany masony, ka nilaza hoe izao no ambarako amin’ny Filoha Macron, kanefa ilay filoha efa mifanila aminy eo.

Ny Sabotsy 28 Aogositra 2021 dia nihaona tamin’ireo teratany malagasy mpila ravin’ahitra any Frantsa Ingahy filoha, vao nahita ireo mpanatrika azy izay noheveriny ho solontenan’ny maro an’isa any Frantsa ilay filohantsika, dia nidehaka nilaza hoe, tokony ho afaka handray anjara amin’ny fifidianana ianareo amin’ny taona 2023, ary nampiany hoe mila misoratra anarana any amin’ny Masoivoho malagasy avokoa hono, ireo mpila ravinahitra any Frantsa, dia mahazo “carte consulaire”, dia iny no hahafahana handray anjara amin’ny fifidianana. Tonga dia mazava ny tian’Ingahy filoha ahatongavana, fa ho sivanina ny anarana tonga, ka izay ahiana tsy hifidy azy dia esorina tsy ho ao anatin’ny lisi-pifidianana, ary azo an-tsaina avy hatrany, fa ry Rinah Rakotomanga no hikarakara ny lisi-pifidianana.

Tsy mifanalavitra amin’ny toerana nihaonan’ny Rmdm Diaspora, ny toerana nivorian’ireo mpomba ny fitondrana, raha tena mihevitra ny tenany ho filohan’ny malagasy rehetra ity filohantsika ity dia tokony ho sahy niatrika ireo Rmdm Diaspora, izay marihina fa anisan’ireo nosivanina tsy hihaona tamin-dRajoelina ireo mpikambana ao amin’ny Rmdm Diaspora, tsy nahasakana ireo tia tanindrazana ireo tsy haneho hevitra anefa izany, fa dia mbola tonga maro izy ireo tamin’ny Sabotsy teo, tsy nampihemotra azy ireo ny sarimihetsika nanapempoana ny filohany Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, fa vao mainka aza nitondra hery ho azy ireo, ary nambaran’izy ireo ampahibemaso, fa nisolotena ireo mpiray firenena malagasy tsy afa-maneho hevitra aty an-tanindrazana izy ireo.

Ny Alatsinainy 30 Aogositra 2021 no tonga teny Ivato Ingahy Filoha, tsy nanankolazaina tamin’ny diany tany Frantsa izy, satria efa tsy takona afenina fa nandamoka tsy nisy ho raisina, dia namilivily resaka tamin’ny fiampangana ny Federasiona Malagasy mitantana ny baolina kitra (FMF), ho mpamingana ny fampandrosoana ny baolina kitra eto an-toerana hono, ny tena marina dia mbola tsy maty voalavo ankibo amin’ny Filoha Arizaka Rabekoto Raoul izy mianakavy, satria tsy tafa tamin’ny fifidianana ry Rasoamaromaka sy ry Tôta, ary malahelo mafy hatramin’izao ny nanesorana ilay mpanazatra tsy nahitam-bokany dia Nicolas Dupuis izany, ka nosoloana mpanazatra matihanina dia Eric Rabesandratana, ny niafaran’ny resaka dia hatao ny Sabotsy 04 Septambra2021 ny fitokanana ny kianja roa andro aorian’ny lalao hifanandrianan’mpilalaontsika amin’ireo mpilalao avy any Bénin. Ireo tonga nilahatra tapakila teny Mahamasina dia samy nilaza hoe ny hijery baolina no mahamaika anay, fa tsy ny hanatrika izay fitokanana kianja.

Fa tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana, fa ny Zoma 27 Aogositra 2021, andro nanaovan-dRajoelina “entretien “ tamin’i Emmannuel Macron dia nisy fihaonan’ireo firenena afrikana maromaro tany Berlin renivohitr’i Alemaina, teo ambany fitarihan’ny “Chancellière Allemande”, ary ny delegasiona afrikana dia notarihan’ny Filohan’ny Vondrona Afrikana sady filohan’i Congo Felix Tsishekedi, tao koa ny Filohan’i Ghana, Rwanda, Senegal, Guinée, sns… Ny tanjon’ny fihaonana dia ny fanampiana hoentin’ireo orinasa avy any Alemaina ho an’ ny firenena afrikana, mampalahelo fa tsy mba anisan’ireo nahazo anjara tamin’izany ny malagasy, kanefa dia isika malagasy no avarapatana tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana.

Na ho rahampitso maraina aza tsy ho tapitra raha ho tantaraina ny tsy fahombiazan-dRajoelina sy ny fitondrany, fa dia tsy misy azo atao afa tsy ny manongotena satria tongo-bakivaky ny manjo antsika Malagasy, ka sady maharary no mahamenatra.