Tranombarotra lehibe Shoprite – Hiala eto Madagasikara sy any Ouganda

Isambilo

Nanambara omaly ny Tranombarotra lehibe Shoprite, izay manana ny foiben-toerany atsy Afrika Atsimo, fa hiala eto Madagasikara sy any Ouganda, rehefa niasa nandritra ny am-polo taonany tamin’ireo firenena roa ireo, ny varotra ao amin’ny tsena anatiny no ho hamafisin’izy ireo araka ny voalaza, tsy nisy ny fanazavana amin’ny antsipiriany fanampiny.

Efa hatramin’ny taona 2000 ny Shoprite no niasa tany Ouganda ahitana magazay lehibe miisa 5, ary tamin’ny taona 2002 no efa teto Madagasikara, miasa amin’ny magazay lehibe miisa 10. Efa niala tany Kenya sy tany Nigeria ity Tranombarotra lehibe ity, dia izao hiala aty Madagasikara sy any Ouganda izao. Araka ny fandinihan’ireo mpahay toekarena sy varotra, ny fitontonganan’ny vola vahiny noho ny valanaretina nandritra ny 2 taona teto amin’izao tontolo izao, no anisan’ny anton’izany fisintahana izany, eo koa ny olana amin’ny famatsian’entan’ny orinasa, ary ny fahakelezan’ny fandaniana amin’ny fanjifana amin’ireo firenena ialany ireo, izay misy fiantraikany lehibe amin’ny tombom-barotry ny orinasa.

Tamin’ity 2020 anefa, nampiasa olona miisa hatramin’ny 140000 mahery taty Afrika ny Shoprite, tamina magazay lehibe miisa 3000 sy tamin’ny firenena miisa 15. Ho antsika eto Madagasikara, olona maro no ho very asa amin’izao hikatonan’ity Tranombarotra lehibe ity izao.