Préfet de police an’Antananarivo sy Vazahabe – Mikasa hanala mpanolotsainan’ny tanàna miisa 10

Stefa

Mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo miisa 10 amin’izao fotoana no kasain’ny Préfet de police an’Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, sy ny ben’ny tanàna Vazahabe: Naina Andriantsitohaina ho esorina. Nandefa taratasy ho an’ny filohan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana: Tribunal Administratif, ny Préfet de police ny tanànan’Antananarivo, mangataka ny fanesorana sy ny fanoloana mpanolotsain’ny tanàna miisa 10 ny tenany. Anisan’izany ny mpanolotsaina Toavina Ralambomahay (KOMBA), Clémence Raharinirina (IRK) ary mpanolotsaina TIM miisa 8.

Tsy fanatrehana fivoriana in-telo misesy no voalaza, fa anton’izao fanapahan-kevitra izao. Arak’izany, tsy ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo no maha-maika ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), fa fanalana mpanolotsaina izao. Izany hoe: izay tsy mitovy hevitra na sahy mitsikera ny zavatra tsy mety ataon’i Vazahabeny izany dia tsy sasatra no torian’izy ireo ary tonga amin’izao fangatahana fanalana mpanolotsaina izao, izay marihina fa voafidim-bahoaka. Handrasana ny tohin’ity raharaha ity, satria inoana, fa tsy hanaiky mora an’izao fanesorana azy ireo izao, ireto mpanolotsaina lanim-bahoaka ireto.