Tsy fahombiazan’ny fitantanam-panjakana – Tsy afa-miala ny Praiministra, hoy Clément Jaona (SMM)

Isambilo

Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana, indrindra ny fampiatoana ny asan’ny ministra farany teo, ny filohan’ny SMM: Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, Clément Jaona. Nambarany fa tsy afa-miala amin’ny tsy fahombiazan’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto amintsika amin’izao fotoana ny Praiministra Ntsay Christian. Amin’ny maha «chef de l’Administration », na lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana azy eto Madagasikara, no tsy ahafahan’ny lehiben’ny governemanta miala amin’izao tsy fahombiazana misy eto amin’ny firenena izao, hoy izy. Kanefa izy lehibe mpitarika indray no noezahan’ny filoha narovana sy nodiovina nandritra ny lahateny izay nataony.

Tena jamba mifampitantana arak’izany ireo samy lehiben’ny fitondrana mpanatanteraka eto amintsika dia ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiministra. Raha toa ka nokianina ireo rehetra ambany fahefan’izy ireo, dia ireo lohany mihitsy no matsatso.

Noho izany hoy ity mpitsara ity, azo lazaina fa mifanohitra tanteraka ny fanambarana izay nataon’ny filoha Rajoelina. Raha ny fanehoan-kevitry ny maro ankehitriny eto amintsika dia Rajoelina sy Ntsay mihitsy no tokony ho esorina voalohany, izy ireo no mpitarika tsy mahavoa ny asany, mpitarika tsy mahay mitarika, ka mikororosy any an-kady ny firenena ankehitriny.